ny maha malagasy manaingo sary aloalo ny fitafiny toy ny malabarin'ny mpikabary, ny palitaon'ny mpanambady, ny lambalandy itafiana ary ny akanjo fianjaikan'ny tanora. Misy aza ny mampihaingo ny efitrano fandraisam-bahiny amin'ny aloalo. Fomba fanao amin’ny fahafatesana izay mifono kolontsaina any amin’ny foko Mahafaly sy ny foko Tandroy ny aloalo ary amin'ny toerana voatokana ihany no hametrahana izany fa tsy amin'ny toerana rehetra, raha ny fanazavàn’ireo mpandinika. Hazo fisaka matevina sy lava voasikotra ahitàna sary maromaro mifanaingina toy ny sarin'omby, sary masoandro, sary maneho alahelo, sarina volana, sarina kintana sy ny toy izany izy io, raha fintinina tsotsotra. Natsangan'ny Mahafaly sy Tandroy eny ambony fasana ho famantarana fa fasana ny toerana iray ary ho famantarana ny tantaram-piainan'ilay maty milevIna amin'ilay fasana izany. Ny sarina volana fenomanana, ohatra, dia entina ilazàna fa nisy ny fotoana nianoka fahasoavana ilay olona maty. Ny volana tsinana mifanome lamosina kosa dia midika fa nisy fotoana nifandimby ny fifaliana sy fahoriana. Ny sarina masoandro dia midika fahaterahana. Ny sarina omby midika fahazoana harena sy ny tahaka izany rehetra. Tsy fanao amin'ny tontolon'ny velona ny aloalo. Maro ny fady sy fomba arahina momba ny aloalo. Tsy ny fianakaviana tompo-manjo no manamboatra ny aloalo, ohatra. Any anaty ala lavitry ny trano fonenan'ny velona no hamboarina ny aloalo fa tsy azo amboarina akaiky tanàna. Hazo atao hoe "Nendoravy " no hanamboarana azy sy ny ny vatapaty. Hosorana menak'omby ny aloalo. Tsy azo itondràna aloalo ny fonenan'ny velona ary tsy azo ampiakarina an-tanàna ny aloalo. Misy fomba manokana rehefa hametraka ny aloalo eo ambony fasana. Tsy azo atrehin'ny zaza amam-behivavy izany fomba izany satria heverina hatrany fa loharanon’aina ny vehivavy ary antoky ny hoavy na fitohizàn’ny taranaka ny zaza. Misy karazany miisa 3 ny aloalo ho an'ny foko Mahafaly dia ny miendrika zoro mifaningotra na «croix», izay natao hoan'ny Andriana. Eo koa ny aloalo ajoro miala metatra vitsy ny fasana hatao fangataham-pitahiana raha toa ka tsy azo itsahina ilay fasana. Ny aloalo atao hoe "ajiba" izay natao hahatsiarovana ireo olona maty tsy hita faty. Rehefa dinihina ny teny hoe «Aloalo» dia verindroan’ny teny hoe "Alo". Ny teny verindroa dia nataon'ny Ntaolo hanalefahana ny hevitra iray. Raha itarina dia tonga any amin’ny hoe "Aloka" sy "Manaloka", izany hoe alok’ireo razana efa lasana sy ny tontolony. Tsy lavitra izay koa ny teny hoe "Maloka", izay fampiasa amin’ny kabary an-karatsiana. Aloalo no iantsoan'ny antemoro ny matoatoa, iantsoan'ny sihanaka ny aloka sy fanahy, iantsoan'ny tankarana ny hady sy lavaka, ilazan'ny Bara ny ako. Ny "aloalo" koa dia teny fampiasa indrindra amin'ny fanenomana. Teo amin'ny Ntaolo malagasy dia maro ny sary nanaingoana ny lamba fitafy. Isany ny satrok'andriana, ravin'amontana, ravin'aviavy, ravim-boaloboka, vorombola, salohimbary, ny tsipika miendrika efajoro, masoandro, fanorona, volana tsinana, kintana sy ny toy izany. Ankehitriny kosa dia maro no manaingo ny fitafiny amin'ny sarina Reniala na «Baobab», Ravinala, Gidro, Sokatra, Tanalahy, Omby, Lefona. Fasana sy olona efa maty ve ianao no hanaiky asiana sary aloalo ny fitafina, hoy hatrany ny fanontanian’ny mpandinika?
Nangonin’i J. Mirija
Mitombo ireo karazan’olona manatona sy mandeha eny amin’ ireo