hoe «fatidrà» avokoa amin’izao fotoana izao ny faritra rehetra eto Madagasikara. Samy manana ny fiantsoany azy ihany koa, araka izany, ny faritra samihafa eto amin’ny firenena. Ao ny miteny koa hoe «fatodrà», hoy ny mpandinika, Rainihifina, ao amin’ny bokiny mitondra ny lohateny hoe «Fomba Betsileo». Ao ny milaza izany hoe «tsitsika». Eto Imerina moa izany dia hoe «fatidrà». Ny anglisy dia mandika izany amin’ny hoe «blood brotherhood», izany hoe, raha adika ara-bakiteny dia «fanamafisana firahalahiana amin’ny alalan’ny rà». Ho an’ny malagasy moa dia hoe «fifamatorana amin’ny alalan’ny rà». Araka izany dia tsy ny malagasy irery ihany koa ny manatontosa ity fomba ity fa na ry Vercingétorix, izay lehiben’ny razamben’ny frantsay fahiny dia ny gaulois, tany amin’ny taona 72 talohan’ny vanim-potoanantsika na koa hoe «72 avant notre ère», izany hoe taona 72 talohan’i Kristy aza, dia efa nanatontosa ny antsoina hoe «Pacte» na fifanakalozan-drà amin’ny alalan’ny fifanorohana, raha ny tahirin-kevitry ry zareo frantsay. Nanatontosa izany koa ny firenena eoropeanina hafa tahaka ny anglisy araka ny efa voalaza teo. Ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany dia manana ny endrika hanatontosany io antsoina hoe «fatidrà» io avokoa. Ao ireo mifampisotro rà. Ao ireo mampifampikasoka ny tanany avy nodidiana mba hifamindràna rà ka ny tanjona ao anatin’izany rehetra izany dia ny mba hifamindràna rà eo amin’ny andaniny sy ny ankilany ka hahatsapàn’ny andaniny fa misy ràn’ny ankilany mikoriana ao amin’ny andaniny ary misy ràn’ny andaniny mikoriana ao amin’ny ankilany. Heverina ihany koa fa efa hatramin’ny faha vazimba no antony nipoiran’ny teny hoe «fihavanana» sy «fampihavanana», izany hoe «Fifampitondràna tahaka ny mpihavana!» ny fanaovana fatidrà. Nampanaovina fatidrà na nanao fatidrà, araka izany, izay malagasy te hifampitondra tahaka ny mpihavana. Tsy sahy mifanao ratsy, araka izany, raha fehezina ireo rehetra nahavita fatidrà na koa hoe tsy sahy mifamadika, arakaraky ny antony nanaovana izay antsoina hoe «fatidrà» na «pacte». Mifono fifamatorana lalina eo amin’ny olombelona, raha ny fintin’ireo tahirin-kevitra voahangona hatrany, araka izany, ity fomba iray ity.
Nangonin’i J. Mirija
Mitombo ireo karazan’olona manatona sy mandeha eny amin’ ireo