airtel

kolontsaina

29-juin-2023

kolontsaina

Poopy sy Njila Hiaraka hiseho indray, 40 taona aty aoriana

Sample post image

40 taona izay, hoy i Poopy. Raha avy nahare ahy nihira i Njila dia nanapa-kevitra niantso ahy hiara-hihira aminy, hoy izy.

29-juin-2023

Nanomboka teo ny 40 taona nahalalàn'ny mpankafy ahy teo amin’ny sehatry ny kanto. Rariny loatra noho izany raha hiara-hisehatra izahay mianadahy, ao anatin'izany fankalazàna izany ho mariky ny fisaorako azy noho ny fahatokisany. Faly aho manolotra anareo ity seho an-tsehatra iarahanay mianadahy ity. Hanao io seho io izahay noho ny fangatahan'ny mpankafy marobe ary ny fahafantarany fa tao amin'i Njila no nivoahan'i Poopy, hoy hatrany i Poopy. Raha ny fikasana voalaza moa dia ho tontosain’i Poopy sy Njila etsy Antsahamanitra ny 6 aogositra 2023 izao izay fampisehoana miharo fahatsiarovana heverina fa tena mamy izay. Hiaraka hiseho indray izany i Poopy sy Njila, 40 taona aty aoriana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique