airtel

kolontsaina

16-août-2024

RAMPAL-TARIKA REBIKA

Feno 60 taona rahampitso, alevina eny Ampanefy anio

Sample post image

Alevina eny Ampanefy Atsimondrano anio Zoma 16 Aogositra rehefa avy nandrasana tetsy amin’ny

16-août-2024

Gymnage couvert Ankorondrano nanomboka omaly Alakamisy ny nofo mangatsiakan-dRakotomalala Jean Pierre Rampal, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe : Rampal ao amin’ny tarika Rebika na Lepaly . Raha araka ny fantatra dia efa 2 volana ny naharariana Itompokolahy no izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Efa sitrana izy hoy ny zanany raha nanazava ny hirifiry niaretan-dRainy talohan’izao nandaozany ny tany izao. Tsiahivina moa fa teo amin’ny faha-59 taonany Rampal no izao nindaosin’ny fahafatesana izao izay handray ny faha-60 taonany rahampitso Sabotsy 17 Aogositra. Ny 80%-n’ny hiran’ny tarika Rebika dia saika hira noforoniny avokoa toy ny “Tonga ilay malalany….Nampiavaka azy ihany koa ny feo mangany tao anatin’ny tarika izay nandrotsirotsy sy nampihetsi-po ny maro. Nambaran’i Lucien Randrianina izay mpanankato tena akaiky azy moa fa hiezaka izy ireo hanohy ny tsara vitan’Itompokolahy na eo amin’ny lafiny famoronan-kira izany na ny fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa.
Pati
Legende : Rampal anisan’ireo nampalaza ny tarika Rebika !
 

Dans la même rubrique