airtel

kolontsaina

20-mars-2023

kolontsaina

Résidence Rainilaiarivony etsy Amboditsiry Havadika ho mozea ho azon’ny rehetra tsidihina

Sample post image

Havadika ho mozea ho azon’ny rehetra tsidihina ny résidence Rainilaiarivony etsy Amboditsiry.

20-mars-2023

Ho fanomezan-danja ny kolontsaina amin’ny mahavavoka ity ivon-toerana ity sy ho fanomezana fahafahampo ny daholobe no tanjona. Nivoitra io nandritra ilay asa tagnamaro notontosain’ny Ministeran’ny kolontsaina notarihin’ny Minisitra Lalatiana Andriantongarivo teny an-toerana ny sabotsy teo, niaraka tamin’ny Fokontany Amboditsiry sy ny fokonolona ary ireo mpilatsaka an-tsitrapo. Hotokanana tsy ho ela araka izany ity ivon-toerana iray ity. Nambaran’ny ministra fa hoharanty sy hampahafantarina ny besinimaro ao anatin’ity tranon’ny praiministra teo aloha Rainilaiarivony ity ny momba azy sy ny tantarany toy ny fiainana niarahany tamin’ireo mpanjaka telovavy nandritra ny fotoana naha-praiministra azy, ny zava-bitany tao anatin’ny taona maro, ny asa nataony….Notsiahivin’ny Minisitry ny kolontsaina moa fa izao indray vao azo notanterahina ity tetikasa ity noho ny fandalovan’ny valan’aretina COVID 19 raha teo ihany koa ny antso tsy maintsy mbola nataon’ny ministera tamin’ireo fianakavian’ity praiministra teo aloha ity.
Pati
Legende : Ny endriky ny tranon’ny praiministra Rainilaiarivony teo aloha sy ny ankehitriny etsy Amboditsiry
 

Dans la même rubrique