na ny Sendikan’ireo mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara. Niarahaba ireo mpiasa rehetra maneran-tany izy ireo noho ny fahatrarana ny 1 may. Hetsika fanamarihana na «symbolique» no atao, hoy ny filohan’izy ireo, Josephin Andriandrainarivo, mampahatsiahy ny be sy ny maro ny fisian’izany sendika izany. 4 taona izay no nisian’izany, hoy izy. Natao hijoroana amin’ny fiarovana sy fiahiana ny asa tahaka ny asa rehetra manerana izao tontolo izao ny sendika. Ny mpitsabo nentim-paharazana dia sady ao anatin’ny mpiasan’ny fahasalamam-bahoaka, araka ny fehezan-dalàna momba ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara. Mpisehatra anaty kolontsaina koa izy araka ny lalàna sy politikam-pirenena momba ny kolontsaina eto Madagasikara. Nanangana ny sendika izy araka ny lalàna momba ny asa eto Madagasikara na ny lalàna 2003-034. Manambara ho ren-tany ho ren-danitra, noho izany, izahay fa olompirenena manana zo hiasa eto amin’ny tanin’i Madagasikara. Ankasitrahana ny fitondram-panjakana niahy anay araka ny lalàna hatramin’izay satria raha tsy nampiharina ny lalàna dia tsy mipetraka. Io lalàna 2011-002 ny 15 jolay 2011 io dia tsiahivinay eto fa tamin’ny andro nitondran’ny filoham-pirenena ankehitriny ny tetezamita. Mampahatsiahy an’andriamatoa filoha izahay ankehitriny fa mbola betsaka ireo ezaka tokony hitondranay ny anjara birikinay amin’ity firenena ity ara-pahasalamana sy kolontsaina. Mbola tokony hiarahantsika ny tolona mametraka izany. Tsy mbola afa-po izahay amin’ny fisitrahana ny zonay matoa mitsangana. Tsy miankina amin-javatra iray ny fisitrahana zo fa ao, ohatra, ireo mpitsabo nentim-paharazana izay tokony ho tahaka ireny fanaovana fanafody nentim-paharazana iraisampirenena ireny. Manana ny olona manan-traikefa amin’izany ny ato fa mbola voateriterin-javatra isan-karazany tsy eto amintsika ihany fa manerana izao tontolo izao. Manjary tsy misy fahafahana manatanteraka izany ary misy manenjika mihitsy aza ny sasany. Ao ny fampiasana ireo zava-maniry na haren-tsaina enti-mitsabo izay na ny lafiny ara-pinoana na ny lafiny ara-pihariana amin’ny maha ara-toekarena azy dia mbola betsaka ny tsy fahafaha-mihoitra amin’izay ka mbola miantso bebe kokoa ny fitondram-panjakana izahay hijery akaiky ny fahafahanay mifanome tanana amin’izany ho an’ny firenena, hoy hatrany ny SEMPINEMAD.
J. Mirija