nefa andraisan-karama ny antsoina hoe taom-baovao malagasy. Heverina ho lojika izany fanapahan-kevitra izany, raha ny fahitan’ny mpandinika azy, satria azo ifanarahana ho daty tokana tsara ny taom-baovao malagasy raha jerena ny fomba fanisana andro tena malagasy. Itovizan’ny alamanaka gregorianina ny isan’ny volana ho 12 mameno ny taona iray saingy ny fomba fanisana ny andro kosa no maha samihafa azy, hoy ny fanazavana. Miisa 28 avokoa tsinona ny andro mameno ireo volana miisa 12 ireo, raha ny fanisana andro malagasy, izay nolovaina tamin’ny kolontsaina arabo nifandray tamintsika hatrany amin’ny taonjato faha 7 tany ho any. Izany hoe raha atotaly dia tokony hitovy na samy ny voalohan’ny volana janoary no hankalazana ny taom-baovao gregorianina sy malagasy isaky ny 33 taona. Tsy voatery ho volana martsa na septambra foana kosa izany ho an’ireo taona hafa fa mety miovaova arakaraky ny fiodin’ny volana sy ny andro. Na ny an’ny andaniny, izay mankalaza taom-baovao malagasy isaky ny volana martsa sy aprily ankehitriny, na ny ankilany izay mankalaza isaky ny septambra no ho mankany, noho izany, dia samy azo iadian-kevitra hatrany ka tsy aleo ve ary, noho izany, mifanaraka hatrany mba hahazoana daty tokana ifanarahana isan-taona sy daty miteraka tena firaisankina mampivoitra ilay antsoina hoe tena maha malagasy toy ny soatoavin’ny fihavanana sy ny tariny toy izay sady tsy an-tany no tsy am-parafara amin’ny daty mampifanditra lava izao dia himenomenona indray avy eo hoe tsy mba omen’ny fitondram-panjakana ny hasiny mihitsy ilay taom-baovao malagasy nefa ny mpikarakara azy aza tsy mety hifanaraka amin’ny resaka daty? Iaraha-mahalala fa mampikatso ny toekarena anatina firenena iray ny andro tsy fiasana nefa andraisan-karama dia mbola tadiavina hiampy 2 hafa indray ve izany fa maninona raha mba tokana ihany, hoy ny fanontaniana mipetraka sy fanazavana voaray hatrany?
J. Mirija
Mangina tanteraka ny Bazar de Noel taona 2024 karakarain’ny Kaominina Antananarivo renivohitra etsy Mahamasina.
Niverina amin’ny maha-mpanankato azy indray Rakotonirina Nantenaina,