airtel

kolontsaina

28-août-2024

Tarika Ambondrona

Hanampy hatrany ny ankizy sahirana, hanao seho goavana eto Iarivo

Sample post image

Ny hetsika AraBe tamin’ny aprily 2023 tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely no isan’ny nanamarihan’ny Tarika

28-août-2024

Ambondrona ny fisaorany ny mpankafy, tafiditra tao anatin’ny fankalazana ny faha-20 taonany. Tao anatin’izany ihany koa no niforonan’ny tetikasa izay ankoatry ny fizarana ny mozika an-dalam-be, dia napetraka ho tanjona ny hanampy ny zanaka Malagasy tena sahirana, tsy misy mpiahy amin’ny fampidirana azy ireo an-tsekoly. Na teto an-drenivohitra na tany amin’ny faritra, eny fa hatrany ivelan’i Madagasikara, dia samy nifarimbona nanohana ity tetikasan’ny tarika ity, izay nifantoka manokana tamin’ny fivarotana « t-shirt » nahafahana nandoa ny “inscription” an’ny ankizy sahirana, sy nividianana fitaovam-pianarana ho azy ireo ity, ny mpankafy. “Tia mifanolon-tanana ny Malagasy” hoy ny tarika Ambondrona, ary tsapa izany tamin’ireo hetsika rehetra natao. Vokany, nahatratra 25 tapitrisa Ariary no voaangona. Manodidina ny 225 noho izany ny « kits » efa voazara nanerana ny faritra, izay mbola hitohy amin’ity taona ity raha ny fanazavanan-dry Ambondrona tamin’ny alalan’i Beranto. Eo ny fizarana ny kanto, fa manamafy ihany koa ny fijoroany hanohanana ny ankizy sahirana sy hifakakaiky hatrany amin’ny mpankafy azy ny tarika, araka ny nambaran’izy ireo tetsy amin’ny Pho Resto Ankorondrano omaly.

AMIN’NY 29 SEPTAMBRA MIFANKAHITA

Fotoan-dehibe manaraka ho an’ny Tarika sy ny mpankafy kosa ny 29 septambra 2024 izao eny amin’ny Colliseum Antsonjombe. Fotoana tokana hifamotoanan’ny tarika amin’ny mpankafy eto Antananarivo sy ny manodidina satria handeha hisidina indray ry zalahy aorian’io. Seho goavana tafiditra anatin’ny fanohizana ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny tarika izay ny 2021, izay efa tokony natao tamin’ny enim-bolana voalohan’ny taona 2024, saingy izao nihemotra izao, noho ny fandaminana. Efa tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny fankalazana ny faha-25 taona amin’ny 2026 ihany koa ny tarika, amin’izao fotoana. Seho matihanina tanteraka, ary isan’ny hampiavaka azy ny fipetraky ny tarika eny an-tsehatra izay hanakaiky kokoa ny mpankafy,... Haharitra adin’ny 3 eo ho eo ny fampisehoana izay hiangalian’ny tarika ireo hira efa nahafantarana azy ireo an-taonany maro. Hanomboka rahampitso akakamisy no ho azo jifaina manerana ireo ivon-toerana sy mpiara-miasa ny tapakila, izay hisy karazany dimy. Ao ny azo jifaina amin’ny tranonkala ao amin’ny ticketplace sy ketrika.com, ary misy ny ivon-toerana samihafa dia ny Pho Resto rehetra eto Antananarivo, Super Music Analakely, Station Galana Analamahitsy. Nitondran’ny Tarika fanamarihana ny hoe : aleo amin’ny toerana voatondro no mividy mba hisorohana amin’ny hosoka. Vonona tanteraka ry Ambondrona miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy toy ny Groupe vidy varotra, ny Airtel Madagascar, STAR Madagascar,… hanolotra ny tsara sy ny kanto ho an’ny mpankafy.

Toky R

 

 

 

 

 

 

Dans la même rubrique