airtel

kolontsaina

31-août-2023

Tarika Iray Fy’Art

Hitohy eny Ambatomirahavavy ny seho

Sample post image

Hitohy eny Ambatomirahavavy indray ny seho hotanterahin'ny tarika Iray Fy'Art. Hatao ny sabotsy 9 septambra izao

31-août-2023

izany eo amin'ny kianjan'ny CEG eny an-toerana manomboka amin'ny 1 ora sy sasany, hoy ny fampitam-baovao voaray. Holalaovin'ireto mpilalao tantara amin'ny radio ireto eny an-tsehatra amin'izany "Ny herin'ny vola", nosoratan'i Niravo Randria. Ahitana taratra ny fiainana andavanandro ifanjevoan'ny fitiavana sy ny vola aman-karena. Ny haratsian-toetra samihafa nefa koa hampitana hafatra sy hanabeazana ny sokajin'olona rehetra. Ho hita eny anelanelany eny koa anefa ny fampihomehezana sy hatsikana. Haneho ny talentany sy ny fahaiza-manaony amin'izany Rakoto, Faly, Synèse miaraka amin'i Niravo sy i Antsaravaka. Hisahana ny lafiny teknika sy ny fandrindrana an-tsehatra ary ny fanentanana kosa, i Bruno Rakotomalala. Etsy andaniny, hifanindran-dalana amin'izany ny hira gasigasy amin'ny feo mangan'izy ireo sy ny fitendren'i Synèse sy i Faly zavamaneno. Hiaka-tsehatra ary nasaina manokana amin'izao seho tanterahin'ireto mpilalao tantara amin'ny onja-peo ireto ny rindran-kira iarahana amin'ny Groupe Mi-Antsa sy ny Ir'Art. Tsiahivina fa hitohy eny amin'ny fiangonana katolika Manankasina indray ny seho ataon'ny Iray Fy'Art, ny 25 septambra, aorian'ny eny Ambatomirahavavy, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique