airtel

kolontsaina

18-juin-2024

TARIKA SAHONDRAFININA

Mbola misy 4 any amin’ny hopitaly

Sample post image

Mbola any amin’ny hopitaly manaraka fitsaboana ireo 4 mianadahy ao anatin’ny

18-juin-2024

tarika Sahondrafinina naratra sy nitondra takaitra vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy ireo tany amin’iny lalam-pirenena voalohany iny ny herinandro lasa teo. Namoy ny ainy tamin’izany raha tsiahivina Rakotolava, mpitendry lokanga tao amin’ny tarika ary efa voalevina soa aman-tsara. Tapaka moa ny sandrin’ny mpitendry lokanga iray, raha voa teo amin’ny taolan-tratrany kosa ny iray. Maratra sy mangana kosa ny loha sy ny tarehin’i Claire na Raivobe rah any lohany sy ny tarehiny ihany koa no maratra ho an’i Rova, mpitsoka trombone vadin’i Rova. Tsiahivina moa fa saika hamonjy sehatra tany Bongolava izy ireo no izao tra-doza izao. Nivadika ilay fiara nitondra azy ireo ka potika nikarepoka tanteraka ny lohany.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao no nihafaran’ilay fiara nitondra azy ireo !

 

Dans la même rubrique