Ahoana moa no tsy toy izany rehefa tsy tomombana, satria iniana atao tsirambina mihitsy, ny fanomanana rehetra mialoha. Firy taona lasa no efa nangatahana ny hanaovana «informatisation» sy «numérisation» ny fanisam-bahoaka, ny kara-panondro, ny lisi-pifidianana, ny fanisam-bato. Rehefa tsy tomombana ireo dia banga sahady ny fepetra iray lehibe : ny fahatokisana.
Atokisana ve ny fanisam-bahoaka, atokisana ve ny lisi-pifidianana ? Raha tena azo antoka, maninona tokoa no tsy atao peta-drindrina isaky ny biraom-pokontany ny lisitry ny mpifidy. Rehefa tsy tomombana ny ara-pitaovana, fara faharatsiny ny mangarahara mba manala ny ahiahy tsy ihavanana.
Iaraha-mahalala, isaky ny antoko politika, fa misy «trai-kefa» manokana ny fangalaram-bato. Misy mpiasam-panjakana mahay ny lesoky ny raharaham-panjakana ka lasa «expert» mihitsy. Rehefa tiana : hafa ny voka-pifidianana amin’ny birao, hafa ny tarehi-marika mifindrafindra tanana maro vao tonga amin’ny Ministera ny Ati-tany na any amin’ny CENI.
Manginy fotsiny ny fampiasana ny fitaovam-panjakana, ny fanararaotana ny fahefana : Région, Distrika, CISCO, etc. Resaka fotsiny ny hoe «mpanara-maso iraisam-pirenena» : raha tena nanao ny asany ireny, ho nisy ve ny hala-bato ombieny ombieny tamin’ireo fifidianana nifandimby. Izany rehetra izany no mitambatra dia tsy ahiahy intsony fa efa fanafintohinana.
VANF