airtel

kolontsaina

21-août-2023

kolontsaina

TENY GASY Indray andro, hono, Madagasikara : angano sy arira

Sample post image

Ry Ministra isany, Ry kandidà hirotsaka ho Filoham-pirenena, Ry Mpitondra isan-tokony : indraindray, mba mandehana tongotra mahita fotsiny ny zava-misy.

21-août-2023

Tsy mila mandeha lavitra manao «Mada Raid» akory, satria raha izao no fahasahiranana ampototry ny Rovan’Antananarivo, tsy takatry ny saina izay fahoriana any tany lavitra Andriana rehetra any. Fa, ny lalam-pirenena moa tsy efa lavaka sy fotaka avokoa ?

Itony zaza tsy misy miahy, avelan-dreniny mitomany irery imoron-dalana : taiza no nisitrika natory alina, mitomany noana sa mitomany nilaozana ? Misy olona dia miteratera-poana tokoa, manafintohina satria miteraka fahasahiranana ho an’ny fiaraha-monina. Ho atao ahoana ireny zaza ireny, ho lasa inona ireny, mpanendaka, mpamaky trano, mpamono olona, raha sendra ka tsy matimaty foana anaty dabam-pako ? Fa, ny Fanjakana ve manana politika ankapobe mikasika ny isa sy fitombon’ny mponina ?

Ireto olona marobe lasa mpivarotra manemitra arabe : osa tokoa angamba ny toe-karena ka lasa mpivarotra enta-madinika ny androantokon’ny Malagasy. Na an-dRenivohitra, na isan-tanan-dehibe, na manamorona ny lalam-pirenena, tsy misy intsony ny arabe, tsy voahaja ny tambohon’olona, voabahana ny vavahadin’olona, voakotaba ny filaminan’olona. Korontan’entana, korontam-by, maraina, antoandro, hariva. Fa, inona loatra re ny «tolona» nisesisesy nandrava efa sy nanapotika ny toe-tsaina ka nitondra antsika amin’izao kizo izao ?

Ny vidim-piainana tsy zakan’ny maro intsony. Nisy fotoana, nalahatro ny vidin’ny mofo dipaina, sy ny saran-dalana amin’ny taxibe, ary ny vidin’ny gazety. Samy 1000 FMG izy ireo, roapolo taona lasa. Roapolo taona aty aoriana, 1000 Ariary ny gazety eto ambany masoko : nihatsara avo dimy heny nanaraka izany ve ny fidiram-bola isan-tokantrano ? Fa, inona loatra ny safidy ekonomika handrankandrana adaladala ka nahavery hasina ny Iraimbilanja, Ventisikirobo ary Ariary, ka lasa haingon-trano sisa ?

Dia iny ny mpanao politika, na ny efa teo na ny mbola mikasa ho eo, na izay eo indrindra indrindra : tsy henatra tsy tahotra, tsy mataho-tody, mamahan-dalitra. Mitonon-tena ho mpamonjy. Mampanantena izay tsy vitany hatrizay. Dia iny ilay hoe vahoaka, tsy leo manantena tsy misy, mbola miandrandra fahagagana tsy hita hatrizay, manoso-menaka ilay nosoran-tay vao omalin’ny omaly. Demokrasia hono izany. Fa, tany Eoropa sy Amerika, nandalo sedra sy fitaizana taonjato firy marina moa ny demokrasia vao tena latsa-paka an-tsain’ny tsirairay, no teto amintsika, enimpolo taona fotsiny nanafoanana ny fanandevozana, ny 1896, dia efa asaina mandatsa-bato izay ampy taona rehetra ?

Dia io ilay Madagasikara, tany kanaana taloha lasa valalan’amboa, valam-paria anivon’ny riaka itsoahan’ny olony mandeha botry mamonjy Mayotte : voalevim-belona mihitsoka anaty hady, ifandroritan’ny bodo sy adala, sanatria tranon’olon-dratsy idiran’olon-tsy vanona. Dia ireo ry Malagasy, tsy hita hoe ahoana : mampalahelo manafintohina. Ho ampiana, toa efa voaozona. Tsy ho ampiana, mba olombelona ihany. «Gasy ka manja» anaran-tsy very, tsy manaiky ho diso, fa manondro molotra ihany : rehefa tsy ny Karana, dia ny Sinoa ; rehefa tsy ny Sinoa, dia ny Vazaha ; rehefa tsy ny Vazaha, dia efa tonga eto ihany koa Arabo sy Afrikana. Ny Gasy mikimpy amin’ny lahatra sy vintana ary anjara. Fa, ny Fanjakana ve manana politika matotra amin’ny fidirana sy fanorenam-ponenan’ny Vahiny eto Madagasikara ?

Indray andro, hono, izany Madagasikara izany... Angano, arira, Tantara am-panoratana.
VANF

 

 

 

 

Dans la même rubrique