airtel

kolontsaina

27-juin-2023

kolontsaina

TENY GASY Mendrika hanana Mpitondra sahaza ilay hoe «Fahaleovantena» ny Malagasy

Sample post image

Ny vahoaka nihazo an’Anosy, izaho miakatra Ambohidahy, Ambohijatovo, Ambondrona... Olona izao, olona. Ao ny nandeha tsiroaroa, na mpinamana nanao andiany,

27-juin-2023

fa ny maro dia mitondra zaza : an-trotroana ho an’ny kely indrindra, an-tsangory ho an’ny efa lehibebe, tantanana ny mpilanja harendrina (na «pistolet laser», tsy maintsy varotana satria efa navela hiditra ny seranana tao Toamasina...).

Teo Faravohitra, nikatso tanteraka ny fiara mbola mikasa hiakatra any Ambohijatovo-ambony. Tomefy olona mandeha an-tongotra ny arabe. Scooter manao «sens interdit» sisa no nifanena tamiko : «androany aloha, hono, tsy misy voarara». Saingy tsy ny 25 jona hariva ihany no toy izany, raha ny scooter manokana (sy ny sarety), fa mandavantaona, ary dia mitazam-potsiny anefa ny polisy».

«Rond-point» Ampasampito : vory lanona anaty arabe tsotra izao ny olona, mitazan-davitra izao afomanga any Anosy izao. «Rond-point» vaovao Ankerana : mifaninana amin’ny Jirama mba tsy tratran’ny délestage ny isan’ny harendrina samy mandeha amin’izay lalany. Ambohitrarahaba hatreny Ankadikely : mpitanjozotra ankavitsiana. Sabotsy-Namehana : vao ety amin’ny tetezan’i Mamba dia efa hafainganam-pandeha an-tongotra sisa ny fikisahan’ny fiara. Anosy-avaratra : harendrin’ny ankizy ihany koa, sady nisy fetifety (fa dia mitovy daholo izany ilay «fetifety» na kermesse-ny Foloalindahy etsy Betongolo na «cheval de bois» atosi-tanana eny Anosimiarinimerina).

Mampalahelo ahy ireto olona. Tena mbola vonto anatin’ny Gasy ny hasin’ny Tanindrazana (na dia efa tsy dia hay mazava loatra firy intsony, inona marina ny Tantara : 30 septambra 1895, 14 oktobra 1958, 26 jona 1960...). Iaraha-mahita sy iainana isanandro anefa fa ilay Nosy anivon’ny riaka dia efa lasan’ny sasany ambongadiny noho ny firaisan-tsikombakomba avo lenta sy ny famadihana ambany saina.

Politikam-pirenena tsy ankinin-doha amin’ny fanampiana vahiny hany ka very hazon-damosina, mandray baiko avy any ivelany ho an’ny tombontsoan’ny hafa. Mendrika hanana Mpitondra sahaza kokoa ilay hoe «Fahaleovantena» ny Malagasy, fa tsy boloky hanao tsianjery fotsiny ny hoe «fiandrianam-pirenena» e, «hambom-pom-pirenena» e.

VANF

 


 

Dans la même rubrique