airtel

kolontsaina

11-sept-2023

kolontsaina

TENY GASY Sambasambain’Ikotofetsy sy Imahakà ny fifidianana

Sample post image

Tsy vitsy raha ny fanakianana azon’ny fitondran-dRajaonarimampianina, fony izy Filohan’ny Repoblika.

11-sept-2023

Fa zavatra iray kosa, tsy azon’iza na iza lavina, dia nanaja manontolo ny Lalampanorenana izy sy ny Filohan’ny Antenimierandoholona tamin’izany, Rakotovao Rivo : nametra-pialàna ara-potoana ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny 2018, nisahana avy hatrany ny andraikitra andavanandro ny Filohan’ny Antenimierandoholona, ary nanolotra avy hatrany ny Fahefana tamin’ny Filoha vaovao rehefa nambara ny voka-pifidianana.

Tsy nisy rahateo ny amboletra hampandany ny Filoha-kandidà, izay tsy nahazo afa-tsy ampaham-bato kely dia kely tokoa raha oharina tamin’ny fahefana mbola teo am-pelatanany enim-bolana monja talohan’ny fifidianana.

«Hanaja sy hitandrina toy ny anakandriamaso ny Lalàmpanorenana sy ny lalàmpanjakana».
Zavatra kely tsy misy dikany izay niseho tamin’ny 2018, raha any amin’ny demokrasia efa latsa-paka. Saingy dingana iray fototra ho an’ny demokrasia vao mampiana-tena, tahaka ny eto Madagasikara. Fanajana ara-bakiteny tsotra fotsiny ny Lalam-panorenana, izay vakiana tahaka izao :

Andininy faha-46. Ny Filohan'ny Repoblika amperin'asa izay milatsaka hofidina amin’ny fifidianana ho Filohan’ny Repoblika dia mametra-pialàna amin'ny toerany enimpolo andro alohan'ny hanatanterahana ny fifidianana Filohan'ny Repoblika. Amin’io seho io, ny Filohan’ny Antenimierandoholona no misahana ny anjara raharahan’ny Filohan’ny Repoblika andavanandro mandra-panolorana ny fahefana amin’ny Filoha vaovao. Raha toa ny Filohan’ny Antenimierandoholona ka milatsaka hofidina ihany koa, dia iarahan’ny Governemanta misahana ny asan’ny Filoham-panjakana.

Andininy faha-48 : Ny Filohan’ny Repoblika, amin’ny fotoam-pitsarana manetriketrika ataon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, eo anoloan’ny Firenena sy eo anatrehan’ny Governemanta, ny Antenimierampirenena, ny Antenimierandoholona ary ny Fitsarana Tampony, dia manao izao fianianana izao : “ Eto anatrehan’Andriamanitra Andriananahary sy ny Firenena ary ny Vahoaka, mianiana aho fa hanatanteraka antsakany sy andavany ary amim-pahamarinana ny andraikitra lehibe maha-Filohan’ny Firenena Malagasy ahy. Mianiana aho fa hampiasa ny fahefana natolotra ahy ary hanokana ny heriko rehetra hiarovana sy hanamafisana ny firaisam-pirenena sy ny zon’olombelona. Mianiana aho fa hanaja sy hitandrina toy ny anakandriamaso ny Lalàmpanorenana sy ny lalàmpanjakana, hikatsaka hatrany ny soa ho an’ny Vahoaka Malagasy tsy ankanavaka.

Fanontaniana ala-nenina, avy amin’olon-tsotra : ahoana hoy ianareo voatanisa rehetra ireo (ny Antenimierampirenena, ny Antenimierandoholona ary ny Fitsarana Tampony) manoloana izao fomban’Ikotofetsy sy Imahakà izao, izay misambasamba sahady ny fitokisana amin’izay mety ho fifidianana ?

VANF
 

Dans la même rubrique