airtel

kolontsaina

12-avril-2023

kolontsaina

TENY GASY «Station-service» : sivilizasion’ny tany lavitra Andriana

Sample post image

Ny fisokafan’ny «station service» dia endriky ny «civilisation» amin’ny toerana ivelan’ny Renivohitra sy Renivohi-paritany. Indrindra manjohy ireny Lalam-pirenena ireny.

12-avril-2023

Satria tsy «station d’essence» fotsiny intsony ny «station-service» dia, ankoatra ny solika (Anjozorobe, tapin-dalan’ny Lalampirenena faha-3, tsy mbola nisy «Solima» fony aho mbola kely, ka mandrak’ity ny androany), ahitana «DAB» (distributeur automatique de banque), misy «Shop» na «Boutique» karazana «Supermarché» kely fa tsy ireny «épicerie» madinika ambanivohitra ireny. Ary, indrindra indrindra, manana «WC» toerana fivoahana, mba tsy handitsahana amin’izao vody hazo rehetra izao, tahaka ny alika.

Ny lafiny fananan-tany, ny resaka fitsinjovana ny «alimentation générale» efa teo an-toerana, ny karazan’entana amidy amin’ireny Jovena, Galana, Shell sy Total ireny mbamin’ny ny fomba nanafarana sy nanomezana alalana ny entana hiditra eto Madagasikara, aleo ho anton-dahatsoratra hafa manaraka. Androany, hifantoka vetivety amin’ny «civilisation».

Na Ambatolaona, na Ankazobe (mandra-piandry ny eo Mahatsinjo), na Ambatolampy, na Talata-Volonondry (mandra-piandry an’Andriampamaky hampitohy amin’i Carion) : tsilo manazava ny alina any amin’ny tany lavitra andriana ny «station-service». Efa ela no tsy vitan’ny Fanjakana intsony ny mampandeha ny jiron’arabe, hany ka mihiratra ny maso sy ny saina vao manatona ny jirobe omen’ny «station-service».

Inona moa ilay hoe «civilisation» ? Tsy matory miaraka amin’ny akoho, mba mahita izay fahitan’ny olona maneran-tany. Zavatra tsotsotra tsy dia mila voatsiary : «Magnum», «Magazine», «Espresso», «Delikatessen», «Gadgets»...

Mandray anjara amin’ny «fanapariahana» na hoe «décentralisation» ny «station-service». Adinon’ny Fanjakana anefa no mandray ny andraikiny, mamaritra sy mametra, hany ka ny orinasa tsy miankina no misalovana manontolo arak’izay tombontsoany ihany.

(hitohy)

VANF

 

 



 

Dans la même rubrique