airtel

kolontsaina

23-juin-2023

kolontsaina

TENY GASY Tapa-tadi-patorana

Sample post image

Tapaka : tarangana mizara roa ; resaka haato noho ny fisalovanan’ny hafa **Tady : kofehy amatorana

23-juin-2023

Fatorana : fangiazana amin’ny kofehy

Mahalasa saina ny zavatra mitranga. Toa sahy atao avokoa izay danin’ny kibo. Tsy tahotra intsony, tsy henatra mihitsy. Anaran’ny Rovan’Antananarivo ovaina. Tokotanin’i Rova volena kianja tsy ara-tantara rehefa avy notrongisina ny vatofototry ny Lapa Masoandro, izay nalatsak’i Ranavalona III, Andriamanjaka sady taranak’ireo ao amin’ny Fitomiandalana.

Sandohana ny teny, savihina ny jaky. Fahiny, nitafy jaky imason’ny tompony izany, na nielo mena manoloana Ny Andriana, sangy ratsy naha voaheloka ho faty.

Tapaka ny tady. Inona avy daholo ny oha-pitenena haintsika : «soavaly tapa-kofehy», «omby nihoatra vala», «amboa nivaha fatorana».

Oha-pitenana hafa : «adala vady reny anaka ka mirakitra amin-karon-doa-body». Eo indrindra isika no manaja tena : fahendrena toa raisin’ny sasany ho fahalemena. Hoe ady amin’adala ka aleo tsy manala-barà-tena fa mihaja ho ankibe mihataka ho olon-dehibe.

Mbola oha-pitenena ihany : «mivadika ondrana», «manala ondrana». Misy kely, misy indro kely, misy indro ngezabe.

VANF

 

Dans la même rubrique