airtel

kolontsaina

29-juin-2023

kolontsaina

TENY GASY Tevateva sy vetaveta nandrorona Fanjakana

Sample post image

Fitaizana sady safidy. Vavolombelona ny lahatsoratro hatramin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009, fa tsy mankatoa ny fomba sy izay kasain’i Andry Rajoelina aho.

29-juin-2023

Masiaka efa hatramin’ny 2009 ny fijeriko ary mampalahelo sady mampatahotra ho an’ny ho avin’ny firenena, fa toa rariny izay ahiahy tsy nampihavana hatrany am-boalohany izay.

Na izany aza anefa, fadiako ny miteny ratsy ny vadiny na manozona ny zanany. Na manonona akory azy ireo. Fanajana farafahakeliny, fitandremana tsy hanao safo be mantsina. Amiko, fitaizana sady safidy, tsy tokony afangaro ny kiana ilay mpanao politika sy ny tsikera ilay mpitondra fanjakana, andaniny ; ary ny maha raim-pianakaviana azy, ankilany.

Efa hatramin’ny 1991 (fa mbola tsy «vaky maso» tamin’ny 1972) no hitako mandrora mitsilany ilay fomba mandrehoka amin’ny sezan’ny Filoha, izay mbola kasaina hipetrahana anefa aoriany. Izay ahotra izay ilay «fahamboniana ara-panahy» napetrako ho sivana tamin’ny 2002. Ahoana moa no tsy hahavery hasina ny Fanjakana raha hitsakitsahina avokoa ny Fahefana manefy azy, satria hoe mpanohitra ? Ka handova inona izany raha sanatria ka mahazo Fanjakana ?

Ireo izay mikasa ho Filoham-pirenena, tokony hahay tsy hanefikefika fahatany ny vanin-tonon’ny andrim-panjakana. Io ilay isan’ny mahatsikaiky amin’ny fanaovana politika eto : atao zinona ny Lalampanorenana raha mbola haka Fanjakana, anefa vetivety foana teo dia salorana tampoka indray ny andininy sy pitsopitsony amin’io Lalampanorenana io ihany, vantany vao «tafita ny tolona».

Raha tiana hanana hasina ny Fanjakana, aleo tsy arorona na oviana na oviana. Raha tiana hanana haja izay rahatrizay ho Filoha, aleo omem-boninahitra farafahakeliny amin’ny teny voahevitra sy ny fomba voatandrina izay mbola am-perinasa.

Adino loatra ireo fitandremana farafahakeliny roa ireo, tamin’ny 1991, 2002, 2009 ary 2018. Notevatevaina izay Filoha, novetavetaina ny andrim-panjakana, dia ireny natao an-keriny ireny ny Ministera. Telopolo taona nanaovana izany izao : mety tsy atao mahagaga ihany raha eso sy arira sisa ny fahefana.

VANF

 

 


 

Dans la même rubrique