airtel

kolontsaina

11-sept-2024

Tontolon’ny zava-kanto

Nodimandry omaly i Fanaiky

Sample post image

Misaona indray ny zava-kanto Malagasy ! Nodimandry omaly teo amin’ny faha-54 taonany Rasolomahatratra

11-sept-2024

Ny Herivelona Fanaiky na i Fanaiky no nahalalan’ny besinimaro azy. Mpanakanto miavaka, sangany tamin’ny tontolon’ny fitendrena «guitare basse » i Fanaiky, compositeurr, mpikambana tao amin’ny tarika Solomiral,... Ny Zoma 06 Septambra farany teo no niaka-tsehatra tetsy amin' Ivokolo i Fanaiky i Fanaiky, naneho fisaorana, ary namarana ny sehony tamin’ny hoe : « Misaotra e ! ». Nandritra io no nilazany sy nanehoany fa mila mifankatia sy mifanoro ny mpanankato. « Ny bassite gasy ary tsy hoe bassiste gasy ihany fa na ao anaty mozika hafa aza dia mety daholo satria izay ny hafatra napetrak’i Mika Kely dia ny fifankatiavana, fifanorohana ara-mozika,… », hoy i Fanaiky. Nisaorany nandritra io seho farany nataony io ireo mpiara-miasa aminy amin’ny resaka feo sy sary sy ny maro hafa, fa indrindra ny mpankafy satria nandritra io dia efa nilaza izy hoe : «Izaho efa nieritreritra fa mety tsy ho vitako intsony ». Efatra andro taorian’izay dia io izy lasa niofo tontolo hafa io, namonjy ireo namany mpiangaly ny mozika sy gitadra beso dia i Tôta, Nono (Mahaleo), Nono (Johary), Mika-kely. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
 

Dans la même rubrique