airtel

kolontsaina

17-déc-2024

VAKODRAZANA MALAGASY

Hampahafantarina ny taranaka ny lanjany

Sample post image

Hampahafantarina ny taranaka faramandimby ny toeran'ny Vakodrazana Malagasy sy lanjany.

17-déc-2024

Hotanterahina manomboka anio Talata 17 Desambra Etsy amin'ny ivon-toeran'ny Kolontsaina Malagasy etsy Antsahavola izany ary tsy hifarana raha tsy amin'ny faran'ny volana Janoary 2025. Tompon'antoka amin'ny fikarakarana ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny OFNAC ary ny Vovonan'ny fikambanan'ireo mpanao vako-drazana eto amintsika. Ho avy handray amin'izany ireo mpanao vako-drazana manerana ny Faritra 23 izay samy hanasongadina ny maha-izy azy avokoa toy ny taovolo, ny fomba fitafy....Ny tsy hahatompon-trano mihono ny taranaka no tanjona na dia eo aza ny firoboroboan'ny teknolojia misy ankehitriny.
Pâti
Légende : Sady mampiala voly no mitaiza ny vako-drazana !
 

Dans la même rubrique