airtel

kolontsaina

10-oct-2024

Vakoka iraisampirenena

Noresahina tao amin’ny oniversiten’i Jiangxi ny Kabary

Sample post image

Anisan’ireo oniversite voasokajy ho isan'ny tsara indrindra any Chine ny «Université normal Jiangxi».

10-oct-2024

Misy mpianatra malagasy mianatra ihany koa ao amin’io sekoly ambony io, raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana. Isan’ny mahaliana ireo mpianatra mpikaroka any an-toerana ary nanaovan’izy ireo fikarohana sy famelabelarana manokana mihitsy ny mikasika ny Kabary. Tsiahivina hatrany fa kolontsaina sy riba malagasy moa ny Kabary. Izay hoe «Kabary» izay mihitsy koa no anarana mahafaobe na «universel» iantsoana azy manerana izao tontolo izao fa tsy hoe Kabary malagasy akory na zavatra hafa. Tsy vakom-pirenena ihany intsony koa ankehitriny ny Kabary malagasy fa efa tafiditra anatin’ireo vakoka iraisampirenena na maneran-tany an’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana izany na ny UNESCO, izany hoe isan’ireo antsoina hoe «Patrimoine mondial de l’UNESCO». Heverina hatrany anefa fa zava-dehibe ho an’ny firenena ny firesahana izany kolontsaina malagasy izany any amin’ireo firenen-dehibe tahaka izao nataon-drizareo sinoa izao. Teto moa izany dia noresahina tao amin’ny oniversiten’i Jiangxi izany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique