any Ranohira, Madagasikara, ka an-dàlana ny fikarakarana ny fampidirana azy ho ao amin'ny Tambajotra Iraisam-pirenena ho an'ny Valanjavaboary (Réseau Mondial de Géoparcs). Nitombo 9% ny isan'ny mpitsidika nandritra ny andiany faha-17 tamin'ny Isalo Raid ny 13 jolay 2024 raha oharina tamin'ny 2023, araka ny tatitra mivoaka. Tamin'ny volana janoary hatramin'ny jona 2024, mpitsidika 1 828 no voarakitra (1 308 vahiny ary 519 teratany), raha 1 650 no voarakitra tamin'ny fotoana mitovy tamin'ny 2023.Tokony ho vita amin'ny amin'ny 2026 fara-fahatarany ny fahavitan’ny dingana farany hidirana ao anatin’io tambajotra io. Ity hetsika ity dia mikendry ny hampiroborobo ny « géotourisme » amin'ny fanasongadinana ny fahasamihafan'ny harena voajanahary ananan'ny valanjavaboary, anisan'izany ny jeolojia, ny endrika voajanahary, ny arkeolojia, ny kolontsaina ary ny paleontolojia. Ny valanjavaboary dia voamariky ny harena voajanahary sy ny toetra mampiavaka ny jeolojia, toy ny endrika vatolampy, ny Lava-bato Portogey ary ny fasana Bara sy Sakalava, raha ny fanazavana. Ny Isalo Raid kosa dia hetsika fanatanjahantena iraisam-pirenena miavaka ho an'ny valanjavaboary, miaraka amin'ny fandraisana anjara avy amin'ny mpifaninana 230 avy amin'ny firenena maro nandritra ny andiany faha-17. Notsipihina fa mandray anjara amin'ny fanatsarana ny fizahan-tany amin'ny valanjavaboary sy ny fampandrosoana maharitra ny faritra amin'ny alalan'ny « géotourisme » ity hetsika ity. Manana ny lanjany ara-pizahantany eto amintsika i Isalo, saingy betsaka ny Malagasy tsy mba afaka misitraka ny fitsidihana azy akory noho ny fari-piainantsika.
Toky R
Mangina tanteraka ny Bazar de Noel taona 2024 karakarain’ny Kaominina Antananarivo renivohitra etsy Mahamasina.
Niverina amin’ny maha-mpanankato azy indray Rakotonirina Nantenaina,