airtel

kolontsaina

30-oct-2023

VARIKA ETO MADAGASIKARA

Ahiana ho lany tamingana ny 90%

Sample post image

Tandindomin-doza tanteraka ny varika eto amintsika. Ahiana ho lany tamingana ny 90%

30-oct-2023

vokatry ny tsindry mahazo azy ireo toy ny fizahana azy tsy amim-piheverana, ny fiompiana azy…. Misy karazany 112 isa ny varika eto amintsika, raha tsiahivina ary samy manana ny mampiavaka azy avokoa izy ireny. Ny 12 amin’izy ireo dia hita ao amin’ny faritra arovana Maromizaha, toy ny Babakoto, ny Aye aye, ny varikandrana, ny varika mena, ny varika mavo, ny simpana, ny fotsy fe, ny tsidy, ny tsidy ala, ny tsitsihy, ny tranga lavaka ary ny Bokombolo izay efa tantanan’ny GERP. Hohamafisina araka izany ny fiarovana ireo biby ireo ary hohatevenina ihany koa ny fampahafantarana ny lalana ho an’ny isam-batan’olona mifandraika amin’izany. Betsaka mantsy ireo mbola tsy mahalala fa voararan’ny lalana ny fihazana sy ny fihinanana ary ny fiompiana azy ireo noho izy ireo biby arovana tafiditra ao anatin’ny tovana voalohan’ny CITES. Nomarihina ny 27 Oktobra lasa teo ny androm-pirenena ho an’ny Varika. Tao Maromizaha no toerana nanamarihana izany. Tsiahivina moa fa tamin’ny 18 Avrily taona 2018 no nanomezan’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovainjafy ny GERP ny famindram-pitantanana ny faritra arovana ao Maromizaha izay manana velaran-tany 1880 ha eo ho eo. Nangonin’i Pati

Legende : Biby mampiavaka an’i Madagasikara ny varika ka tokony arovana fatratra mba tsy ho lany tamingana !

 

Dans la même rubrique