airtel

kolontsaina

04-déc-2023

Yoongs avy nanao ampamoaka

Nolazaina fa tsy salama, nifanenjehana teny amin’ny hopitaly…

Sample post image

Nifanenjehana rehefa nitsoaka avy tao amin'ny hopitaly Befelatanana (vavahady ambony)

04-déc-2023

nitsaboana azy i Yoongs, mpanakanto ao amin’ny tarika Wada sy Yoongs, raha ny fampitam-baovao voaray ny marainan’ny sabotsy teo.Teny akaikin'ny kianja Barea Mahamasina izy vao tratra. Tazana ho tena sahiran-tsaina izy no sady hita tsy tompon'ny tenany, hoy ireo nanatri-maso ny zava-nitranga. Manomboka miteraka adihevitra ity raharaha iray ity satria niteny zavatra mahakasika ireo vahiny nambarany fa mpanjanatany mambotry sy manambaka ny malagasy i Yoongs mialohan'izao zava-drehetra mitranga izao. Nolazaina avy eo fa hoe manana olana ara-pianakaviana izy sy hoe tsy salama. Samy fanehoan-kevitr'olon-tsotra anefa no nilaza an'izany fa tsy mpitsabo na mpitandro filaminana hatreto aloha. Niainga tamina horonantsary fanadihadiana nataona teratany vahiny iray, herinandro lasa izay, raha tsiahivina, ny fanehoan-kevitr’ity mpanakanto ity na ampamoaka no marimarina kokoa. Noresahany tao anatin’izany ny hoe namotehan’ny fitondrana Gallieni ny rafitra Hova, ny antsoina hoe “discrimination raciale” na fanavakavaham-bolon-koditra nitranga tamin’izany vanim-potoana izany. Nolazainy ihany koa fa nofitahan’ny praiminisitra Rainilaiarivony ny mpanjaka Ranavalona III ary natao sesitany satria hova ny taona 1896 sy ny hafa marobe tsy voatanisa. Rehefa nojerena dia azo ambara ho nifototra tamina resaka famakafakana tantaram-pirenena ny fanehoan-kevitra saingy nitohy tamina voambolana maro heverina ho tsy fampiseho masoandro sy ompa kosa rehefa nitohitohy ary dia izao niafara teny amin’ny hopitaly Befalantanana izao. Reraka i Yoongs, hoy ny anabaviny, ary tsy misy resaka politika na ambadika no antony andraisanay fanapahan-kevitra momba azy. Rehefa avy nanao ampamoaka izany i Yoongs dia lazaina fa adala ary niafara tany amin’ny hopitaly mihitsy, hoy ny fanehoan-kevitr’ireo mpanara-baovao. Tsy efa hoatran’iny foana ve moa i Yoongs hatramin’izay fa maninona no mbola navela niriaria teny hatrany, hoy koa ny fanehoan-kevitra hafa?
J. Mirija

 

Dans la même rubrique