airtel

kolontsaina

23-sept-2024

ZAVA-KANTO HIADIANA AMIN’NY HERISETRA

11 mianadahy ireo voafantina hampita hafatra

Sample post image

Miisa 11 mianadahy ireo tanora voafantina tamin’ilay fifaninana Kanto am-bava nokarakarain’ny CDA

23-sept-2024

Andohatapenaka hampitana hafatra momba ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy mahavavy mpahazo ny olona eto amintsika. Naneho ny fahaiza-manaony teo anatrehan’ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny nahitana ireo mpitantanana ny ivon-toerana mandray an-tanana ireo olona hiharan’ny herisetra, ny mpitandro ny filaminana…. izy ireo ny faran’ny herinandro teo. Fantatra nandritra izany fa anisan’ny nampiavaka azy ireo ny fandresen-dahatra ao anatiny mikasika ny tokony handraisana fepetra momba ny ady amin’ny herisetra eto amintsika indrindra fa ny fanolanana mahazo ny ankizy izay misy hatrany no sady miharatsy endrika. Anisan’izany ireo Ray niteraka mahavita manolana sy manimba ny zanany vavy. Tanjona ao anatin’ity kanto am-bava izay talenta hananan’izy 11 mianadahy ity araka izany ny mba hahafahany mampita hafatra tsy miato amin’ireo voakasika indrindra fa ny fiaraha-monina izay fototra hipoiran’izy ireny.
Pati
Legende : Mamoaka tanora manan-talenta maro tahaka izao hatrany ny CDA Andohatapenaka!
 

Dans la même rubrique