airtel

Politique

21-mai-2024

15 taona nahazoana fahefana

Tsy niova ny fomba fiteny, tsy niova ny vokatra

Sample post image

Tsy ho adino intsony», «tsy ho faralahy amin’ny fampandrosoana intsony», «tsy hitoka-monina intsony»,

21-mai-2024

santionan’ireo fomba fitenin’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, hatramin’ny naha filohan’ny tetezamita azy nanomboka ny taona 2009 ireo. 15 taona aty aoriana dia mbola izay hatrany no voambolan’ny filoha matetika heno amin’ireo fitetezam-paritra ataony. Tsy niova ny fomba fiteny, tsy niova ny vokatra, mba tsy hilazana hoe niha ratsy aza ny vokatra. Azo ambara hoe 15 taona izany izao no nahazoana fahefana ny fitondrana Rajoelina satria tsiahivina hatrany fa kandida natolony sy notohanany ho tafakatra teo amin’ny toerana maha filoham-pirenena ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny taona 2013. Firenena farany mahantra eto ambonin’ny tany i Madagasikara. Potika ny fahafaha-mamokatra anatiny manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana sy ny fahapotehan’ireo lalam-pirenena. Tsy tafakatra amin’ireo renivohi-paritany akory na dia ireo heverina hoe vokatra ambim-bavan’ireo tantsaha aza. Ny hoe nametraka ny anarany sy ny fandalovany teo amin’ny fitantanana ny firenena kosa nefa etsy ankilany, tsy azo lavina. Rehefa hiresaka ianao hoe iza no nanao ny hopitaly manara-penitra? Andry Rajoelina no valiny. Toy izany koa rehefa hiresaka hoe kianja manara-penitra, sekoly manara-penitra, atsy ho atsy koa moa izany ny hoe teleferika sy rehefa lazaina fa manara-penitra rehetra na dia nisinisy ihany aza ireo efa niaraha-nahita fa manara-pofona sy mitete ary nirodana am-pitoerana teny fotsiny. Ny vidim-piainana midangana. Ny sandam-bola mihena matetika. Izy ihany aza moa no niaiky fa afaka 20 na 30 taona vao ho afaka eto ny tsy fanjarian-tsakafo, izany hoe, tsapany fa tsy misy miantraika amin’ny aty vilanin’ny vahoaka ilay heveriny fa fampandrosoana entiny. Fanontaniana matetika mipetraka moa ny hoe mba miheritreritra ve vao manao zavatra ilay fitondram-panjakana sa manao zavatra vao miheritreritra?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap