airtel

Politique

27-juin-2024

1960 – 2024

«Adilahy politika namotika toekarena no azo amehezana azy»

Sample post image

64 taona lasa izay no nanomezan’ny firenena frantsay fahaleovantena ny repoblika malagasy.

27-juin-2024

Samy manana ny fahitany ny tranga ara-tantara moa ireo mpandalina sy mpampianatra tantara. Ho an’ny mpandalina tantara, Lova Andriamparany na Doda, dia raha tafiditra teto, avy any amin’ny ilany andrefana, ny taona 1895, ny frantsay rehefa nanafika an’i Madagasikara dia azo lazaina ho efa voazarazaran’ny firenen-dehibe i Afrika taorian’ny fihaonamben’i Berlin. Tafiditra tao anaty anjaran’i La Frantsa i Madagasikara na dia notohatohanan’i Angletera an-kolaka ihany aza ny fanjakana teto anivon-tany. Heritaona taty aoriana, 1896, lasa zanatany isika. Nihetsika ny azo lazaina hoe tia tanindrazana saingy tsy nahomby fa vitan’ny frantsay ny nampandry tany ny taona 1906. Nanomboka nitrandraka ny harena an-kibon’ny tany teto ny frantsay nanomboka teo namelomana an’i La Frantsa. Niditra ny ady lehibe voalohany ny 1914 hatramin’ny 1918. Saika ny zanatany no nalefa niady. Ny taona 1921 no nanomboka nisy ny fihetsiketsehana voalohany notarihin’ny kaominisita frantsay, Paul Dussac, sy Jean Ralaimongo izay niady ny hampitoviana lenta ny malagasy sy frantsay. Talohan’izay nisy ny olom-bitsy nahazo taratasy frantsay na «nationalité». Vaky ny adin’ny taona 1939. Nalefa tany indray ny malagasy. Efa saika nahazo fahaleovantena voalohany, hoy izy, ny malagasy ny taona 1942 rehefa nampian’ny anglisy saingy nandamoka koa izany. Nipoitra indray ny fitiavan-tanindrazana hoe hay azo resena tsara ny frantsay! Nipoaka ny 29 martsa 1947, izay mbola adihevitra be hatramin’izao hoe ny MDRM tokoa ve sa ny frantsay ihany no nanapoaka azy? Nandeha ny fitsapa-kevi-bahoaka 1958, izay i Guinée Conakry ihany no tsy nanaiky fa ny tany afrikanina nanaiky daholo. Ny filoha Philibert Tsiranana tamin’izany, niampy ny filoha ivoarianina sy ny filoham-pirenen’i Senegal, Cedar Senghor, no isan’ny nitety an’i Afrika nanao propagandy hampanekena ny hoe Madagasikara mahaleotena ao anaty firaisambe frantsay. Nisy antoko politika vitsivitsy tsy nanaiky saingy indrisy fa lany moa ilay izy. Niaina repoblika sadasada isika ny taona 1958 dia nomena fahaleovantena saritsariny ny 26 jona 1960. Tao anatin’ny fifanarahana dia ny vataben’i Madagasikara ihany no azo fa ireo nosy madinika toa an’i Nosy be sy ireo nosy manodidina na «Iles éparses» dia misoratra ho an’i Frantsa. Natanjaka ny toekarena malagasy ny 1960 satria mbola tao ny volabe navelan’i La Frantsa sy ny zava-drehetra. Nanam-bola ny olona. Tsara ny lalana. Hatramin’ny 90% ny hatsaran’ny lalana. Na lalam-pirenena io na ny nampifandray fivondronana sy firaisana. Nandeha ny fitondrana Tsiranana. Taona 1967, lany fanindroany ny filoha Tsiranana. Niongana mo aizy ny 18 may 1972 taorian’ny hetsika 13 may 1972 dia nanome fitondrana ny jeneraly Ramanantsoa. Tsy mari-toerana io dia nanome ny fitondrana Ratsimandrava ny taona 1975 rehefa nisy ny fiokon’ny tafika nanomboka ny faraparan’ny taona 1974. Vao mainka naha tezitra ny tafika fanomezana fahefana ny Kolonely Richard Ratsimandrava. Maty nisy namono ny kolonely ny 11 febroary 1975 rehefa nitondra herinandro. Niditra fitondrana miaramila isika hatramin’ny jona 1975. Nomena ny Capitaine de fregate, Didier Ratsiraka, ny fitondrana. Natsangana ny repoblika faharoa. Hatramin’ny taona 1983 io ary nidirana tamin’ny repoblika faha 3. Natanjaka ny toekarena tamin’izany, 1975 hatramin’ny 1980, satria faharoa taorian’i Cote d’Ivoire isika. Nalaina ireo orinasa vaventy dia natao orinasam-panjakana. Nanomboka sahirana sy nitodika tany amin’ny mpamatsy vola ny fitondrana Ratsiraka taorian’ny 1980. Nametraka ny FMI sy Banky iraisampirenena ny amin’ny tsy maintsy hamerenana indray amin’ireo orinasa tsy miankina ireo orinasa navadika ho orinasam-panjakana. Lalina ny fahantrana naterak’izany ny 1983 hatramin’ny 1988. Noferana ny sakafo. Niady i Monja Jaona hoe halalao ny vary satria 800 grama isaky ny 3 andro tamin’izany no anjaran’ny olona iray. Niforona ny antoko politika isan-karazany nivadika ho fitokonana tanteraka ny 1991. Nitarika tany amin’ny fitondrana tetezamita fanindroany izany, izay nalaza tamin’ny fifanarahan’i Panorama. 1993, teraka ny repoblika faha 3. Nitondra 2 taona ny Pr Zafy Albert. Fitondrana fohy indrindra iny ho an’ireo filohan’ny repoblika. Nanandrana ny atao hoe fitondrana parlemantera moa izy. Tafaverina teo amin’ny fitondrana ny Amiraly Didier Ratsiraka ny 1996. Nifanandrina tamin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Marc Ravalomanana, izy ny 2001. Tonga ny krizy 2002. Voafidy fanindroany ny filoha Ravalomanana ny 2006. Nitarika fihetsiketsehana indray ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Andry Rajoelina, ny 2009. Nandositra tany an-dafy ny filoha Ravalomanana taorian’ny fanonganam-panjakana dia raikitra indray ny tetezamita hatramin’ny 2014. Teraka ny repoblika faha 4. Adilahy politika namotika toekarena izany no azo amehezana ny 1960 hatramin’ny 2024. In-3 nisy fifandonana ara-tafika ny taona 1975, 1991, 2009, hoy hatrany ny tenany. Araka ny fanazavan’ny mpampianatra tantara, Tsiory Rabetokontany, kosa dia ny taona 1895 no nanomboka very ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Ny antsoina hoe «Protectorat», hoy izy, no fototr’izany. Tsy niheritreritra hanjanaka ny frantsay, hoy izy, tonga teto fa nametraka izay aloha. Ny taona 1885 izy no nametraka izay «Protectorat» izay. Tsy nanaiky izany mihitsy ny praiminisitra Rainilaiarivony satria hoe tsy izy no nanasonia azy moa natoky be ny anglisy koa izy. Nihevitra ny praiminisitra fa ao ambadika ny anglisy ary tsy hahavoazanaka antsika mihitsy ny frantsay. Rehefa tonga nefa ny taona 1895 dia tonga nanafika ny frantsay.
RESY NY TAFIKA MALAGASY
Resy ny tafika malagasy ary tsapa teo fa tsy nisy anglisy izany akory tao ambadiky ny praiminisitra Rainilaiarivony dia nafoy ilay fahaleovantena. Nihetsika avy eo ny Menalamba. Namono vazaha hatramin’ny eoropeanina hafa fa tsy frantsay ihany. Io fihetsiky ny Menalamba io izany avy eo no nahatonga ny frantsay hampiantso ny jeneraly Gallieni hampandry tany ary hamadika ilay «Protectorat» ho fanjanahantany. Ny 1960 dia niainga tamin’ny 1958. Daty samy lalana nankany amin’ny fahazoana fahaleovantena ireo. Nisy fitsapa-kevi-bahoaka ny 1958 nametraka hoe eo izany no manomboka repoblika i Madagasikara. Teraka teo ny repoblika voalohany. Tsy hain’ny malagasy akory ny tao ambadik’ilay fitsapan-kevi-bahoaka fa ny Eny sa Tsia ihany no fantany. Ny tao ambadika nefa dia hoe raha Eny dia anatin’ny vondrona frantsay fa raha Tsia dia ivelany. Raha izaho izany no nampifidianana tamin’izany dia Tsia no nofidiko. Lany nefa moa izany ny Eny, noho ny tsy fahazoan’ny malagasy akory ny tena tao ambadika, dia nijanona ho repoblika tanaty vondrona frantsay isika. Azo avy eo ny fahaleovantena ny taona 1960 dia repoblika miisa 4 no nifandimby teto ny 1958 hatramin’izao. Ny 1958 dia natao hoe fahaleovantena politika na «indépendance politique», izany hoe ny fitondram-panjakana na fahefana no fahefana mahaleotena. Ny atao hoe mahaleotena moa dia lafiny maro toy ny hoe «mahaleotena ara-tsakafo», «mahaleotena amin’ny fiainana an-davan’andro». Eo ilay mampiady hevitra. Raha jerena ny filàn’ny malagasy na ara-tsakafo io na tekinolojia na angovo, ny rehetra, dia azo atao hoe tsy mahaleotena i Madagasikara. Na isika hoe mbola manana mizàna ara-barotra mahafatiantoka, izany hoe, «balance commerciale déficitaire» aza dia efa maneho fa tsy mahaleotena isika satria tsy mahavelona antsika ny fidiram-bolantsika. Mbola fahaleovantena ara-politika koa, noho izany, hoy hatrany ny tenany, ny 1960.
Nanangona sy nandrindra : J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

Natsikafon’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena nanoloana ny mpanao gazety avokoa

Card image cap
19-déc-2024

Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy

Card image cap
19-déc-2024

Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,

Card image cap
19-déc-2024

Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa

Card image cap
19-déc-2024

Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»

Card image cap
18-déc-2024

Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…

Card image cap