airtel

Politique

27-juin-2023

Politique

63 taona niverenan’ny fahaleovantena Tsy mety mahita fitoniana i Madagasikara

Sample post image

Tany amin’ny 14 oktobra 1958 no nambara fa teraka ny Repoblikan’I Madagasikara, niainga teo ny Repoblika voalohany, ary efa Repoblika fahaefatra isika amin’izao fotoana izao.

27-juin-2023

2 taona latsaka kely taorian’io kosa vao nambara tamin’ny fomba ofisialy tetsy Mahamasina tamin’ny alalan’ny Jeneraly De Gaulle ny fahaleovantenan’I Madagasikara. Misy ny mankalaza ny 14 oktobra eto amintsika, ka ivon’izany ny any amin’ny Faritra Sofia, izay fihavian’ny Filohan’ny Repoblika Philbert Tsiranana. Somary adihevitra aza ny fisian’ireo daty roa ireo satria misy ny maneho, fa ny 14 oktobra no tokony ho tena fetim-pirenena sy hankalazaina manetriketrika. Tao anatin’izay, nahatratra 13 ireo Filoham-pirenena sy Filoham-panjakana nifandimby nitantana an’I Madagasikara. Tena nipetraka ve ny fahaleovatenam-pirenena sa sanatria zary fombafombam-pankalazana no natao teto hatrizay, fa ny tena fahaleovantena sy fahamarinan-toerana ara-politika sy ara-toekarena mbola ady sy tolona mitohy?
KRIZY HATRANY TAO ANATIN’NY 63 TAONA
Tao anatin’ny fitantanana an’I Madagasikara, saika nandalo krizy ara-politika hatrany ny firenena. Tamin’ireo 13 nitondra: ny iray nisy namono dia ny Kolonely Ratsimandrava. Tsy dia nisy fifandimbiasam-pahefana nilamina, fa saika tao anaty korontana sy krizy ny ankamaroany, fa tsy misy fitohizan-draharaham-panjakana. Niongana ny Filoha Tsiranana taorian’ny krizy 1972 niainga tamin’ny tontolon’ny fampianarana, saingy niitatra tamin’ny politika. Niongana ny Filoha Ratsiraka tamin’ny taona 1991 rehefa nangotraka ny tolon’ny Herivelona. Tratry ny fanaisorana tamin’ny toerany na “empechement” ny Filoha Zafy Albert ny taona 1996.Voatery nitsoaka tany ivelany ny Filoha Ratsiraka rehefa raikitra ny hetsi-bahoaka taorian’ny fifidianana ny desambra 2001. Tratry ny fanonganam-panjakana ihany koa ny Filoha Ravalomanana ny 2009, rehefa nipoitra I Andry Rajoelina izay ben’ny tanànan’Antananarivo no niaingany. Tratry ny fidinanana an-dalambe ihany koa ny Filoha Rajaonarimampianina ny 2018, ka voatery nifampizara governemanta tamin’ireo nanongana azy. Teo amin’ny fialan’Atoa Hery Rajaonarimampianina no nilamindamina ny fifandimbiasam-pahefana satria izy izay avy nitondra tsy nahazo afatsy 8%, ary nilefitra ihany koa ny kandida nanao fihodinana faharoa tamin’I Andry Rajoelina, mba hialana amin’ny savorovoro. Nanotrona ny fianianan’ny Filoha ankehitriny avokoa aza ny 19 janoary 2019 ireo Filoha teo aloha rehetra izay mbola velon’aina tamin’izany ny Filoha Ratsiraka, tonga teny ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, fa indrindra indrindra I Marc Ravalomanana izay nifaninana tamin’ny fihodinana faharoa, na betsaka aza ny adihevitra momba ny fahadiovan’ny fifidianana. Tsy arakarak’izay anefa ny vokatry ny fitantanana firenena fa toa vao mainka nihemotra raha tarafina amin’ny tondro ara-pahantrana sy ara-toekarena samihafa?
EO AN-TANAN’NY VAHINY NY AIM-PIRENENA
Hatramin’izao, mbola ao anatin’ny fitadiavana fitoniana ny firenena Malagasy. Rotiky ny krizy politika nifanesy, fa simban’ny tsy fahaiza-mitantana ihany koa. Tsy tena tafapetraka ny fiaraha-mientana ho an’ny firenena, fa samy maka ho azy. Tsy tena ny firenena no nojerena, fa tombotsoa, seza, antoko,… Politika politisiana no nanjaka, demokrasia samy manan'ny azy arakaraka ny tombotsoa politika, olona sy antoko fa tsy fandaharanasam-pampandrosoana,… Tsy tena nipetraka ny firaisam-pirenena. Mbola sarotra ny toerana misy antsika na ara-politika na ara-toekarena. Ny vahiny no toa lasa mifehy ny zava-drehetra satria na ny fifidianana eto aza mbola iankinan-doha amin’ny firenena matanjaka. Mbola misongadina ny fisian’ny hery vahiny sy firenena ao an-damosin’ny mpanao politika Malagasy sasany, ary eo amin’ny tontolo diplaomatika sy jeopolitika dia mbola malaza ny hoe: tsy lany na tsy ho tafapetraka ho Filoham-pirenena eo raha tsy mahazo tso-drano avy amin’ny firenena izatsy na izaroa. Ny Filoham-pirenena am-perin’asa aza moa lasa adihevitra be ny maha vazaha taratasy azy ankehitriny. Ny resaka toekarena eo am-pelantanan’ny vahiny avokoa ny aim-pirenena: angovo, entana ilaina andavanandro, solika,… Raha izao no mbola hiampy krizy politika indray amin’izao ankatoky ny fifidianana izao dia asa izay hanjo an’I Madagasikara?
Toky R
 

Dans la même rubrique

14-janv-2025

Andrasana tsy ho ela ny voka-pifidianana eto Antananarivo Renivohitra taorian’ny fiakarana fampanoavana mikasika

Card image cap
14-janv-2025

Anatin’ny kihon-dàlana farany amin’ny fitsarana ny raharaham-pifidianana ireo Tribonaly misahana ny ady

Card image cap
14-janv-2025

Miantso ny mpitondra fanjakàna izay raiamandreny, hoy ny antoko politika Natiora.

Card image cap
14-janv-2025

Mitohy ny karazana kabary sy resaka hafahafa ataon’ny mpitondra, ka ny resaka fanonganam-panjakana tsy hisy

Card image cap
14-janv-2025

Nandeha fampanoavana teo anivon’ny TAF (Tribunal Administratif et Financier) omaly ny raharaha

Card image cap
14-janv-2025

Ranolava hatrany ny fanambarana ataon’ireo olom-panjakana sy olon’antoko na vondron’antoko mpanohana fitondrana.

Card image cap