airtel

Politique

24-juin-2024

Ady sisika ara-pifidianana eny Atsimondrano

Nampianka-peo ny TIM Alakamisy Fenoarivo…

Sample post image

Mitohy ny fifampitsakoana ara-politika ao Antananarivo Atsimondrano ! Miantso ny foibe sy ny solombavambahoaka

24-juin-2024

lany vonjy maika ny mpikambana TIM rehetra ao Alakamisy Fenoarivo fa ahitana tranga mampiahihahy ao an-toerna! Hoy ny TIM Alakamisy Fenoarivo. Milaza fa rehefa niverina niray hina nandritra fanampiana sy fandanina ny kandida Voahangy, izay hita tamin’ireny vokatra tao an-toerana ireny fa nitarika lavitra nanoloana ireo mpifanandrina, dia misy zavatra hafahafa mitranga. Ny ben’ny tanàna am-perin’asa dia lazain’izy ireo fa tsy tazana nandray andraikitra sy nanampy tamin’ny fampandaniana ny kandida depiote TIM, fa nanampy sy nanohana ny kandida niara-dia tamin’ny fanjakana. Amin’izao akaiky fifidianana ben'ny tanana izao, niroso tamin’ny fandaminana anatiny sy ny asa sosialy hatrany ireo mpikatroka TIM, ary efa tapak’ireo mpitarika isa-pokontany fa nahita kandida ho atolotra ny foibe izy ireo, ary kandida mamy hoditra amin’ny vahoaka, mahafeno ny fepetra rehetra maha ben'ny tanana, hoy ny setriny eo anatrehan’ireo voatondro ho mitady hijapy masinina. Raha tsiahivina, resy ny TIM tamin’ny fifidianana ben'ny tanana farany, fa raha nanaraka ny torimariky ny «base TIM » ny solombavambahoaka tamin’izany dia tsy tojo io faharesena io, nisy olona tsy lanin’ny mpikatroka teny am-potony natolotry ny solombavambahoaka tamin’izany fotoana izany ka tsy lany, hoy ny karazana fiampangana. Ankehitriny milaza ho manahy ireo mpikambana TIM fa hiverina io toe-javatra io satria misy olona "iray" miseho azy ho akaiky ny solombavambahoaka Voahangy Ramananarivo no miaraka manakorontana sy mampiakatraka ny fahatezeran'ireto mpikatroka TIM eto Alakamisy Fenoarivo ireto, hoy hatrany ny fiampangana. Hita izany nandritra ny didim-poatra foibe tao Alakamisy nandritra kabarin’ny ben'ny tanana iray fa avy any amin’i Voahangy Ramananarivo ny kilalao! Nampiankam-peo ny mpitarika sy ny mpikambana TIM ao an-toerana manolona ny ambaran’izy ireo fa tsy fananan’ilay ben'ny tanana etika manao politika. "Tsy teto ianao, tsy nanampy TIM ianao koa hitady kandida TIM? Ary mahalala menatra fa hita ny fanohananao kandida hafa nandritra ny fifidianana solombavambahoaka teo iny", hoy ny hafatra avy amin’ireto izay milaza fa tena TIM miara-dia amin-dRtoa Voahangy Raharimanarivo. Voalaza fa tsy nanome fanomezana izany, fa ilay olona miseho ho azy eo akaiky no nanolotra lelavola ka nanfangaron'ny politika ny anarany. Hiroso amin’ny fanolorana kandida sy ny fanaova-tsonia entina any amin’ny solombavambahoaka sy foibe moa ireto TIM ireto, ka dia miantso ny any an-tampony sy ny Filoha mpanorina hijery ny zava-misy. Henjana ilay politika !
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap