airtel

Politique

16-juil-2024

Alain Andriamiseza

«Aleo isika mandeha mankany amina lalàmpanorenana vaovao!»

Sample post image

Very fanahy mbola velona mihitsy aho, raha mikasika ny mpanohitra, hoy ny filohan’ny antoko politika MCDM, Alain Andriamiseza.

16-juil-2024

Hita amin’izao mihitsy, hoy izy, fa raha mahazo fitondrana izany ireo mpanohitra ireo dia toy izao ataon’ny mpitondra izao ihany no ataony. Inona moa izany no ilàna azy satria tsy misy fotokevitra mazava fa hoe tsy mila an’i Andry Rajoelina izahay? Izay fotsiny! Tsy misy fotokevitra mazava hoe ity anie no fomba hitondrantsika ny firenena, izao no fomba hanarenantsika ny harinkarena, izao no hahazoana manarina ny kitapom-bolan’ny malagasy. Tsy misy an’izany fa dia hoe izahay tsy tia an’i Andry Rajoelina dia tsy tia an’i Andry Rajoelina. Tsy tokony ho izany intsony mihitsy no hitondrana ny politika eto amin’ny firenena. Tokony manana foto-drafitra sy hevitra mazava ianao. Izahay izao mitady ny hoe fanorenana ifotony. Izay no tsy hidiranay amin’ny fifidianana. Ny fidirana amin’ny fifidianana dia vao mainka manamafy ilay rafitra tsy misy. Io izao no mahavoa ny mpanohitra. Matoa ianao nanaiky hanao depiote dia manaiky fa lany ny filoham-pirenena izay nolavinao fa nolazainao fa vazaha. Tsy azon’ny olona izany. Ahoana moa izany? Ianao mitady fifidianana filoham-pirenena tena hamahana ny olana eto amin’ny firenena nefa tsy manao ianao. Any amin’ny depiote, izay tsy fantatro loatra izay ho atao ao aloha raha ny fijeriko ny olona hitako ao sy izay notenenina tao, ao ianao no manao. Efa mazava amin’izao fa efa misy 109 isa izany no an’ny fitondrana. Haninona ao izany ianao? Rehefa andeha ny atao hoe ady rehetra amin’ny lafiny demokratika ao amin’io antenimieram-pirenena io dia hisambadidaka io fanoherana io. Manafatra ny fanoherana aho hoe tsy any no lalana! Mbola manam-potoana isika hanaovana zavatra araka ny tokony ho izy fa raha samy ho tia tena dia avelao samy ho tia tena dia ho hitantsika eo izay hitranga. Hivoaka ny Firaisankina. Hivoaka ny Firaisambe. Hivoaka ny Pro mankatsy sy Pro makeroa! Izay nefa no tadiavin’ilay fitondrana. Noho izany izahay mitaky fanorenana ifotony dia mijoro amin’ny hevitra iray ihany dia ny hoe atao izay hahatongavantsika amina lalàmpanorenana vaovao. Lalàmpanorenana tsy misy mandeha amin’ny anaran’ny tenany manokana na «indépendant» izany, raha izaho no manoratra azy. Ity tsy misy ilàna azy mihitsy. Ny antoko politika terenao tsy maintsy hanao kaongresy, tsy maintsy manao tatitra, mijery ny fanabeazam-bahoaka dia 1 volana alohan’ny fifidianana mitranga ilay olona. Tsy misy fanerena, tsy azo atao na inona na inona satria hoe izaho «indépendant». Izao izy betsaka noho ny mpanohitra. Misy zavatra tsy mety mihitsy izay tokony amboarina ao amin’ny lalàna ao ka noho izany aleo isika mandeha mankany amina lalàmpanorenana vaovao, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

Natsikafon’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena nanoloana ny mpanao gazety avokoa

Card image cap
19-déc-2024

Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy

Card image cap
19-déc-2024

Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,

Card image cap
19-déc-2024

Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa

Card image cap
19-déc-2024

Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»

Card image cap
18-déc-2024

Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…

Card image cap