airtel

Politique

12-juil-2024

Alain Andriamiseza

«Governemanta tsy mahavita azy ilay teo»

Sample post image

Tokony hitodika amin’ny fijerena fitaratra vaovao ho an’ny firenena mankany

12-juil-2024

amin’ny fampandrosoana isika, hoy ny filohan’ny antoko politika MCDM, Alain Andriamiseza. Mijery ny lalana ahazoana mamaha izao olana marobe izao, hoy izy, ary mijery hoe ahoana no ahafahana manavotra ny firenena amin’izao trosa marobe izao sy ny mety hanatsara ny fiainan’ny malagasy tsirairay avy amin’ny fahefa-mividiny? Maninona moa raha ny any avaratra no omena ny antenimieram-pirenena dia amin’izay mba misokatra kokoa ny lalana ho an’ny fananganana governemanta ho an’ny filoham-pirenena hisafidy izay hitarika ny mpanatanteraka hisolo ny praiminisitra amin’izao fotoana izao? Tsy maintsy hiakatra ny vidin-tsolika, ny vidim-bary, ny vidin’ny siramamy ary voan’izany daholo na ny aty ambanivohitra na ny aty amin’ny renivohi-paritany na ny eto amintsika eto Antananarivo. Any izany no ady tsy maintsy hatrehin’ny governemanta hoavy eo. Izay no tsy maintsy vaindohan-draharahantsika ao anatin’ny volana maromaro. Izay koa no heverina fa tokony ho fototry ny PGE na politika ankapoben’ny fanjakana satria ny tarehimarika navoakan’ny sehatra iraisampirenena izany izao dia isika malagasy no mitarika amin’ny amin’ny firenena manana vahoaka mahantra betsaka indrindra eto amin’izao tontolo izao. Raha ny harena eo am-pelantanantsika arahina fahaiza-manao sy fitiavan-tanindrazana dia tsy ho olana amintsika mihitsy no mamaha ireo trosa misy. Tsy miteny aho hoe hiova rahampitso izany satria tsy misy Jesosy aloha eto an-tany. Ny asa sy fahaizana no atao. Manana ilay fitaovana isika. Raha mitaingina bisikileta isika izany izao dia eto amintsika ny bisikileta fa ny kodiarany vaky. Dia mifanontany hoe aiza no hividy famahanan-drivotra, kodiarana? Ohatran’izay koa ilay olan’ny firenena mila vahana izao ka raha olona manao kitanitany no ataonao eo dia ho alainy ilay bisikileta ary taingenany tsy misy kodiarana fa tsy raharahiany. Any an-kady no hiafarany. Miodinkodina toy ny tandrimo nandritry ny taona maro isika fa any amin’ny filoham-pirenena ny fanalahidy. Tsy marina ny hoe mbola rafitra parlemantera amin’ny ampahany isika. Ny mpanatanteraka no tompon’ny fahefana tena miasa eto Madagasikara ary ny filoham-pirenena no filoha fara-tampon’ireo sy ny foloalindahy. Ahoana moa izao no handroso ny firenena? Lala-migodana sy teleferika no laharam-pahamehana nasehon’ny fitondrana ny vahoaka. Tsy ny vahoaka no nitady izany fa io governemanta io no nitondra hoe ireto no entinay. Nifanarahana ny hoe 80km isaky ny 6 volana no atao, izao 25km, tsy ho santarina raha tsy amin’ny desambra 2024. Ilay governemanta no tsy maharaka. Tokony hiala rehefa tsy mahavita. Toy izay koa ny teleferika. Notokanana dia hoe 3000 Ariary no saran-dalana. 27 jona dia efa tsy hita izay nalehany. Governemanta tsy mahavita azy ilay teo, hoy hatrany i Alain Andriamiseza.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

Natsikafon’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena nanoloana ny mpanao gazety avokoa

Card image cap
19-déc-2024

Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy

Card image cap
19-déc-2024

Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,

Card image cap
19-déc-2024

Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa

Card image cap
19-déc-2024

Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»

Card image cap
18-déc-2024

Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…

Card image cap