Iraka ao amin’ny sampana Afrikanina Frédéric Lambert, mamita iraka hatramin’ny zoma 11 oktobra. Nihaona tamin’ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ny delegasiona izay nohotronon'i Kodjovi Eklou, solontenan'ny FMI eto Madagasikara. Hijerena ny fanatanterahana ny fifanarahana eo amin'ny FMI sy Madagasikara taorian'ny faneken'ny filankevi-pitantanana ny FMI ny volana jolay 2024 ny FEC mitentina 337 tapitrisa USD sy ny FRD mitentina 321 tapitrisa USD ho an'i Madagasikara no ambara fa anton’ny fihaonana. Mikendry ny hanohana ny fandaharan'asa napetraky Madagasikara ho fanatanterahana ny politika ankapobeny (PGE), izay mikendry ny hampitombo ny faharetan'ny toekarena Malagasy sy hanampy amin'ny fitomboana an-toekarena, raha ny seraseram-panjakana. Hatreto anefa, 36,66 tapitrisa DTS na 48 tapitrisa dolara monja no efa nankatoavin’ny Filankevi-pitantanan’ny FEC. Hifantoka amin’ny fandalinana ny fanombanana ny mahakasika ny trosan'i Madagasikara manodidina ny risika sy ny filana eo amin’ny fahaiza-manao ny iraka. Handinika ny momba ny fanavaozana ny fahafaha-mitrosa, ny tabilao fanombanana ny mety ho voka-dratsy, ny filàna fahaiza-manao, ny fanadihadiana momba ny fitantanana amin'ny ady amin'ny kolikoly, ny Fanjakana tsara tantana,...
HENJANA NY FEPETRA
Isan’ny henjana ao anatin’ny fihaonana ihany koa anefa ny fanatanterahana ny pitsopitsony fanitsiana ho mandeha ho azy na « ajustement automatique » amin’ny vidin'ny solika eto Madagasikara, izay kasaina hapetraka amin'ity volana oktobra ity, iray amin'ireo singa anatin’ny fanekena nankatoavin’i Madagasikara. Midika fa na ho ela na ho haingana dia ho avy ny fiakaran’ny vidin-tsolika, izay vao mainka hampiakatra ny vidim-piainana eto Madagasikara. Efa tamin’ny 10 jolay teo rahateo no nolaniana tao anatin’ny filankevitry ny Minisitra ny rafitra ho an’ny fanintsiana ny vidiny ambony indrindra eny amin’ny paompy na « Prix maxima affichés à la pompe » ho an’ny vidin-tsolika eto Madagasikara, izay nialohavan’ilay serasera fandamindaminan-dresaky ny Fanjakana nilazana fa tsy hihoatra ny 200Ar. Tafiditra ao anatin’io ihany koa ny fampifanarahana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana na LFI 2025 amin'ny programa Malagasy ao anatin'ny FEC sy ny FRD. Henjana ny fepetran’ny mpamatsy vola ao anatin’ny fahazoana an’ireo satria voakasik’io ny fialana amin’ny fanampiana ara-bola na « subvention » amin’ny jirama sy amin’ny solika, ny fandaniam-bolam-panjakana,… izay efa manomboka ny fampiharana. Ny depiote avy amin’ny fanoherana Siteny Randrianasoloniaiko, ohatra, dia nilaza ny 10 aogositra lasa teo, fa nisy ny « lettre d’intention » nataon’ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Minisitry ny vola sy ny Governoran’ny Banky Mondialy, nanao fanekena fa ao anatin’ny 3 taona dia mbola hahena 320 miliara Ar isan-taona ny tetibolam-panjakana, ka nilazany fa dikan’izay dia tsy hisy zavatra handeha mihitsy eto. Ny tetibolam-panjakana 2024 izay efa nisy fihenana 3400 miliara Ar eo. Aiza ny vola hahafahana manatanteraka ny PGE ?
Toky R
Efa ela no nitolomantsika, vao tamin’ny herintaona no nisy naratra, nisy nogadraina tamin’ny hetsika,
Tsy hoe zava-baovao no atao ankehitriny fa fanohizana ny tolona natomboka ny taona 2023,
tafa, niavaka, tsy fahita firy, vina sy faharesen-dahatra, hita hoe mila fanovanatokoa ny olona. Maro be no tonga kanefa tsy nisy nosandaina
Eto Antananarivo no fiantombohan’ny fanovana, ary isika tsy hanaiky hataon’ny olona lafika intsony.
Tsy vaky ny Kolekitifa an’ny Malagasy ary manohana an’i Tahina Razafinjoelina avokoa !
Naneho ny heviny sy fijeriny mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra i Andry Herinjaka