airtel

Politique

20-mars-2025

Andro iraisam-pirenena ho an’ny Frankofonia.

Mba nitondra inona ho an'i Madagasikara marina ny OIF ?

Sample post image

Marihina isaky ny 20 martsa tahaka izao ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Frankofonia.

20-mars-2025

Madagasikara dia isan’ireo firenena mpikambana ao amin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an’ny Frankôfônia (OIF) nanomboka tany amin’ny taona 1970, ka isika no nandray ny fihaonambe tamin’ny 2016. Anisan’ireo Firenena 88 mpikambana ka anatin’ireo 54 mpikambana feno. Miorina amin’ny fifandraisana ara-tantara sy ara-kolontsaina amin’ny firenena miteny frantsay ny OIF. Anisan’ny ambara fa tombontsoa azon’i Madagasikara amin’ny maha-mpikambana azy ny fanohanana ara-pampianarana, amin’ny alalan’ny fandaharan’asa fanofanana sy fampiroboroboana ny teny frantsay. Voalaza fa misy ihany koa ny fampiroboroboana ny kolontsaina malagasy amin’ny sehatra iraisam-pirenena, amin’ny alalan’ny fifanakalozana sy fanohanana ara-bola. Amin’ny lafiny toekarena, voizina sy resahana fa manokatra varavarana amin’ny fampiasam-bola avy amin’ny firenena frankôfôna sy fanohanana amin’ny sehatra maharitra ny Frankôfônia, manome fahafahana amin’ny fampivoarana ny fotodrafitrasa, ny angovo ary ny fanabeazana,... Tahaka izany ihany koa ny firesahana sy fanohanana amin’ny fampandrosoana maharitra, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ireo rafitra toy ny Agence Universitaire de la Francophonie (AUF),... Ara-politika, manome sehatra hifanakalozan-kevitra amin’ireo firenena hafa momba ny demokrasia sy ny zon’olombelona ny OIF, manamora ny fifandraisana ara-diplaomatika sy ara-barotra eo amin’ny firenena mpikambana. Lazaina fa manome vahana ny diplomasia malagasy amin’ny sehatra iraisam-pirenena, amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny fihaonambe iraisam-pirenena sy fifampiresahana amin’ny firenena samihafa. Fanohanana amin’ny fandriampahalemana sy ny fifehezana krizy, amin’ny alalan’ny fanohanana politika sy ara-diplaomatika avy amin’ireo firenena frankôfôna. Ny resaka ambony latabatra izany, fa tena hita amin’ny fiaianam-pirenena ve ? Isika ve no tsy mahay manararaotra ireo herijika samihafa sa zary mbola mitombina ilay hoe : rafitra entin’i Lafrantsa mbola hitezana sy hitazonana ireo zanan-taniny ? Izao na ny ampahantanintsika dia ny Iles Eparses aza tsy averin’i Lafrantsa ! Mbola mitoetra sy mitombina rahateo hatreto eo amin’ny tontolon’ny jeopolitika sy fandrefesana ara-politika sy toekerana ny hoe : mandroso kokoa ireo firenena nozanahan’ny anglisy sy miteny anglisy na «Anglophones » mitaha amin’ireo nozanahan’ny Frantsay sy miteny Frantsay na « Francophones » ka izay ve no isan’ny mbola mangeja antsika?
Toky R

 

Dans la même rubrique

26-mars-2025

Tsiahivina, hoy ny antoko politika Teza, fa ny frantsay, ny vondrona eoropeanina,

Card image cap
26-mars-2025

Manamafy ny tsindry hamoahana an’i Paul Maillot Rafanoharana i Frantsa, amin’ny alalan’ny loholona Christophe-André Frassa,

Card image cap