ary naha be resaka indrindra tao anatin’ny 63 taona nahazoana ny fahaleovantena i Andry Rajoelina eo amin’izay fitandroana ny firaisam-pirenena izay, na teo amin’ny fomba fanaovana politika, na fomba fiasa, na fitondran-trena, na firesaka,… fisamatsamahana no toa sary asehony, ary indraindray tahaka ny tsy mitondra tena ho filohan’ny Malagasy, fa filohan’ny Tgv sy ny volomboasary antoko sy vondron’antoko nentiny tamin’ny politika. ny ohatra dia miainga avy any ambony, hoy isika malagasy, kanefa betsaka ny fandikana lalàna sy lalàmpanorenana toa miainga avy aminy, miharihary ny tsy fahaiza-mitantana amin’ny andriny maro, mitotongana ambony ambany ny firenena,… fa ny mpitondra irery no mahita fa mandroso isika, ary izao no fitantanana tena mahomby ! nanamarika ny faha-63 taona nahazoana ny fahaleovantena isika omaly, kanefa adihevitra be ny hoe : tokony mbola hisafo ny tafika ve izy sa tsia ny filoha rajoelina? natao ihany moa iny, saingy ny anaty tafika dia efa misy ny sosotra amin’ny zava-misy, eo anatrehan’ny hoe : vazaha taratasy ny filoha malagasy, izay tena ifandroritana. rehefa zohiana, toa i andry rajoelina mihitsy no lasa olana satria lasa miteraka fisarahan’ny firenena, tsy mahavita ny adidiny amin’ny fitazonana ho iray tsy mivaky ny firenena. Lasa mizarazara hatramin’ny fijerin’ny olona, ka ireo manohana azy manitrikitrika fa tsy mpamadika tanindrazana izy, ary ireo efa sosotra amin’ny fitondrana tena milaza fa tsy mendrika akory ny hijanona eo amin’ny toerany intsony io fa tokony hiala satria mpamadika tanindrazana. raha nenjehina sy naongana i marc ravalomanana tamin’ny hoe: “tsapao aloha ny herinareo izay vao mitsapa ahy”, nohadrohadrohina mafy sy nenjehina i Hery Rajaonarimampianinatamin’ny filazany hoe: “porofoy amiko fa mahantra” ny Malagasy, dia niteraka fahatezerana ho an’ny sokajin’olona samihafa ny kabarin-dRajoelina teny anatirova ny takarivan’ny 18 jona lasa teo hoe: “misy mpamadika tanindrazana any ambadika any mivazavaza sy mivovo”, izay maro no nandray izany ho fanalikana olona. misy faritra anefa eto madagasikara ary saika ny malagasy rehefa no fady ampitoviana amin’ny alika. toa miverina aminy ihany ilay lazaina fa mpamadika tanindrazana, saingy tsy maintsy miaro ny tenany mo aizy sy ny ekipany, saingy tsy mety maty afo. taorian’ny filazana fa mampipipy am-pataloha izay mpifanandrina, dia mampitovy olona amin’ny alika ka fihetsika sy fiteny mendrika amin’ny maha filoha ve? tena mila fombafomba goavana mety tonga hatrany amin’ny famonoana omby ohatra, ny fanompana razan’olona ho amboa hoe: “amboa razana” any amin’ny faritra alaotra, any amin’ny faritra atsimo atsinanana dia misy mihitsy ny olona fady miompy io karazana biby io, na misy aza ny olona sasany mandray azy ho tena namana mpiaro sy mpanavotra amin’ny andro sarotra. fady amin’ny fitondrana ny hiaiky fa tsy mety ireny ary mihevitra hatrany hatrany fan a inona na inona hadalana sy hadisoana amin’ny fitantanana ity firenena ity dia ho vitavita ho azy hatrany?
Toky R
Andrasana tsy ho ela ny voka-pifidianana eto Antananarivo Renivohitra taorian’ny fiakarana fampanoavana mikasika
Anatin’ny kihon-dàlana farany amin’ny fitsarana ny raharaham-pifidianana ireo Tribonaly misahana ny ady
Miantso ny mpitondra fanjakàna izay raiamandreny, hoy ny antoko politika Natiora.
Mitohy ny karazana kabary sy resaka hafahafa ataon’ny mpitondra, ka ny resaka fanonganam-panjakana tsy hisy
Nandeha fampanoavana teo anivon’ny TAF (Tribunal Administratif et Financier) omaly ny raharaha
Ranolava hatrany ny fanambarana ataon’ireo olom-panjakana sy olon’antoko na vondron’antoko mpanohana fitondrana.