ivelan’ny safidim-bahoaka ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tao anatin’ny Kabariny nandritra ny fitokanana ny Boulevard Ratsimilaho tao Toamasina ny sabotsy teo. « Miteny ihany koa fa ny safidim-bahoaka, tsy afaka viraviraina, ka dia efa miteny sahady ireo manam-pikasana hanao zavatra hafa, fa tsy misy fampandrosoa eto, raha tsy milamina ny tany, tsy misy fampandrosoana eto raha tsy safidim-bahoaka, ka dia miandry isika », hoy i Andry Rajoelina. Vita ny natao, dia i Andry Rajoelina indray no lasa mpanome lesona amin’ny resaka fanajana ny safidim-bahoaka sy ny Fanjakana tan-dalàna. Tena safidim-bahoaka madio sa fifidianana niorina tao anatin’ny fandikan-dalàna tamin’ny endriny maro ? Na ny Filoha ankehitriny aza mantsy dia anisan’ny antony hanaovan’ny mpanao politika sy ny firaisamonim-pirenena toy ny Safidy izay nanatsikafona ny tranga fanitsakitsahana ny lalàna fototra mikasika ny fampielezan-kevitra dia ny nampiasana fahefam-panjakana sy mpiasam-panjakana, ka nangataka ny fanafoanana ny vaton’ny kandida tany amin’ny fari-piadidiana voakasika. Voalazan’ny andininy faha-49 amin’ny lalàmpanorenana fa tsy afaka afangaro amin’ny asa anaty antoko sy vondrona antoko ny asan’ny filoha, saingy izy tenany no nanao propagandy mivantana na ankolaka, ary rehefa nisy ny karazana fitorohana, dia nandefa taratasy nanadio tena tamin’ny HCC ny Fanjakana. Tahaka izany ihany koa ny fampiasana ny anarany sy ny sariny tany amin’ny distrika maro, ankoatra ny fampiasana sy fanerana ny mpiasam-panjakana hanohana volomboasary na voararan’ny andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenana aza, ankoatra ny lalàm-pifidianana 2018-008 izay betsaka ireo andininy nodikaina, raha tsy ilaza afatsy ny tsy fahafahana mitokan-javatra, saingy betsaka ireo fitokanana ankolaka fa nanaovana tsilalaon-teny. Nilaza i Andry Rajoelina fa miandry ny famoahan’ny HCC ny vokatra ofisialy, io no mamaritra ny tanjaka politika, ny maro an’isa no maro an’isa, mandrafitra ny governemanta,… ka noho izany, dia mila miasa haingana, ka tsy mila fialana bala intsony amin’ny fitavozavozana izay mahataraiky ny asa rehetra izay atao. Mila hafainganina tahaka ny nanamboarana ny Boulevard Ratsimiliho, izay nambara fa fanamby ho vita nialohan’ny 26 jona. Firifiry izay zavatra nambara fa hamboarina sy nanomezana fe-potoana izao ?
VIZANA NA NAHAZO DEPIOTE MARO AZA…
Araka ny vokatra vonjimaika navoakan’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), ny IRMAR no hahazo solombavambahoaka be indrindra raha eo amin’ny isa hatreto satria 80 voafidy amin’ny 163, saingy nihena 4 mitaha ny tamin’ny 2019, kanefa efa nakarina 163 fa tsy 151 intsony ny depiote. Ny kandidà tsy miankina dia tokony hahazo seza 54 raha tokony hahazo seza 23 ny Firaisankina. Seza roa no tokony ho azon’ny antoko roa hafa, ny « Groupement des jeunes malgaches patriotes » sy ny antoko maitso, seza efatra no tokony ho azon’ny fikambanana FIVOI. Vizana ny IRMAR amin’ny tanàn-dehibe maro, ary amin’ireo distrika 43 misy depiote dia ny 11 amin’ireo ihany no ny IRMAR no laharana voalohany. Efa tao anatin’ny mikimaky sy kajikajy sy tsindritsindry maro kanefa izao ny vokatra. Tena azo heverina hahazo maro an’isa ve ny IRMAR raha tena fifidianana madio sy malalaka ? Midika izany, fa miha vizana tanteraka ny IRMA, ary taratry ny tsy fahamarinan-toeran’ny Fitondrana volombosary.
Toky R
Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy
Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,
Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa
Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»
Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…