Mitohy hatrany ny kabary fandokafan-tena sy vava tsy ambina amin’ireo tsy mitovy hevitra. Nirehareha indray mantsy i Andry Rajoelina omaly raha namboly hazo tany Anekaleka fa manakoako manerana an’i Afrika ny vina sy ny haitairika entiny ho an’i Madagasikara. Olona minia tsy mijery ny tsy mahita ny ezaka ataony, raha toa ka efa miaiky izany ny aty Afrika, raha ny filazan’i Andry Rajoelina izay voalaza moa fa nandresy tamin’ny fisafidianana izay mpitarika mendrika aty Afrika nataon’ny Gazetiboky Africa Leadership Magazine nivoahan’ilay hoe : fandresena 65,69%. « Na iza na iza misopatra tsy hisy hahasakana antsika. Gaga ny tany Londres, nisy Malagasy nifidy ny mpifanianana, saingy olona aty Afrika fa izy no mendrika. », hoy i Andry Rajoelina nilaza fa zezika tsy mampihontsona ny fanaratsiana. Hitambatra tsy azo hozongozonina sy hopotehina. Moa tsy fanesoana vahoaka ve ny resak’i Andry Rajoelina eo anatrehan’ny fahantrana mandifotr’olona ? Arakaraka ireny zavatra resahiny sy hireharehany ireny ve ny tena fiainam-pirenena eto ? Tokony mbola hirehareha ve izy sa ho tokony ho menatra eo anatrehan’ny fahantram-bahoaka ? Miaina anaty fonjabe mitafo lanitra ny Malagasy, mihasarotra andro aman’alina ny vidim-piainana, mitombo ny tsy an’asa, mbola betsaka ny ambana ara-toekarena sy ara-tsosialy raha tsy hilaza afatsy ny tetibolam-panjakana hiasana miha manify, ny vidin-tsolika mety hiakatra,… Momba ny tontolon’ny herinaratra, mbola nisora-tena ho nahavita, ka nilaza fa tamin’ny andron’ny Filoha Ratsiraka no nanaovana an’Andekaleka ka izy ireo no nanampy ny gropy fahatelo tamin’ny tetezamita, ary nanampy ny fahaefatra dia izy ireo tamin’ny 2022. Nampanantena fa hametraka vato fototra amin’ny herinandro hametraka 64MW ao Ranomafana. 30% amin’ny filàn’Antananarivo no nolazainy fa hovokarin’io. Ny tsy manao ihany no mitsikera, hoy indray i Andry Rajoelina. Mandrak’ity ny androany mbola fitanisana vina sy zavatra lazaina hatao no betsaka, fa ny vokatra miantraika any ambilanin’ny Malagasy poakaty. Tanisaina ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimo, ady amin’ny fahantrana, fampiroboroboana ny fiainam-pianankaviana amin’ny alalan’ny fandrindram-piterahana, làlambe migodana, teleferika,… Efa hiditra 15 taona nitantanana Firenena dia ny vahoaka no afaka mitsara hoe : tena nahomby sa nandetika an-davaka tanteraka an’i Madagasikara ?
Toky R
Tafaresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana, momba ny raharaham-pirenena sy ireo
Tsy misy andro iray mandalo eto ka tsy andrenesana hoe nisy fivoriana, atrikasa, famelabelaran-kevitra, fiofanana.
Manome vahana ny mpanao didy jadona ny fahanginan’ny vahoaka»
Potika ny fanaovana politika eto Madagasikara, raha ny fihetsika politika na
Nahafahana nitsapa tsara ny alalin’ny rano eo amin’ireo mpitodra fanjakana eto madagasikara sy ny mpomba azy
Tafiditra ao amin’ny sokajy fitondrana "hybride", izay manambatra ny demokrasia amin'ny