airtel

Politique

19-juin-2023

Politique

Andry Rajoelina Niseho ho mpanome lesona amin’ny fananganana indray

Sample post image

Fitokanana ny Kianja Masoandro na “colisée” nampiady hevitra tao Anatirova no tena tao ambadiky ny fanokafana ny Rovan’I Madagasikara omaly 18 jona 2023

19-juin-2023

Ny fitokanana ny kianja masoandro dia hitondra masoandro ho an’I Madagasikara, hitondra masoandro ho an’I Madagasikara”, hoy I Andry Rajoelina. Io izay nampiady hevitra hatry ny ela, ka nisy tamin’ireo taranaky ny Andriamanjaka no nanakiana mafy an’io ho fanotana fady, ka mety hitera-doza. Asa na fifandrifian-javatra ihany ny fisian’ny loza mahatsiravina samihafa izay namoizana ain’olona na ahoana? Iray tamin’ireny ny loza mahatsiravina nahafatesana olona am-polony taorian’ny fianianan’ny Filoha ankehitriny ny 19 febroary 2019. Nisy mihitsy ny filazana tany aloha, fa izay mpitondra Fanjakana nanota fady teo, dia niongana avokoa. Nilaza ny Filoha Rajoelina fa betsaka ny zavatra mitamberina, dia ny fahamaizan’ny Rova. Rehefa may tamin’ny 1995 dia setroka no tazana, alahelo sy ranomaso satria lavenona sisa. 28 taona aty aoriana vao tafatsangana indray, reharehantsika Malagasy, ary afaka hamelona indray ny fitiavan-tanindrazana. Nasiana fanavaozana iray manontolo ireo lapa. Ny Fanjakana Ravalomanana izay naongany tamin’ny 2009 moa no nanomboka sy nanao ireo asa lehibe na “gros œuvre” tao anatin’ity fanarenana ity, ary misy tsipaikaikan’ny Malagasy ny nahavitan’io. “Ny zavatra iainantsika androany, na efa potika sy lasa lavenona aza dia azo atao ny manarina sy manangana zavatra efa simba. Na dia miaina ao anatin’ny fahantrana aza ny Malagasy tao anatin’ny taona maro, dia azo atao ny manarina sy manorina ary manangana Madagasikara vaovao. Izany no ataontsika,…”, hoy i Andry Rajoelina. Niseho ho mpanome lesona amin’ny resaka fanarenana sy fananganana indray ingahy Filoha, ka asa hoe tahaka izany tokoa ve endri-pitantanana ny firenena ankehitriny sa miha mihemotra hatrany hatrany hatreto? Sao dia ao anatin’ny famotehana tanteraka amin’izao fotoana izao fa anjaran’izay mpitondra handimby ny lavaky ny fahasimban’ny firenena no manarina sy manangana? Ny trano mijoro fa ahoana ny fiainan’ny olona honina ao anatiny na ny hitsidika azy. Fenoina trano manarapenitra i Madagasikara kanefa mitombo isan’andro ihany koa ny olona sahirana.

Mila manana 2000Ar ho an’ny ankizy ary 5000Ar ho an’ny lehibe raha hitsidika ny Lapan’i Manjakamiadana, raha toa ka 5000Ar sy 10 000Ar raha maniry hitsidika ny Rovan’i Madagasikara manontolo. 20 000Ar sy 40 000Ar kosa raha teratany vahiny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap