airtel

Politique

10-oct-2024

ANTANANARIVO

Efa hita soritra ny kandida misongadina

Sample post image

Omaly alarobia 9 oktobra no natao teny amin’ireo OVEC nanerana ny nosy ny antsapaka momba ny

10-oct-2024

filaharan’ireo kandida amin’ny fifidianana ben’ny tanana ao anaty bileta tokana. Ho an’Antananarivo renivohitra dia teny amin’ny OVEC Isotry no nanaovana izany ka tahaka izao no filaharana. Laharana voalohany : Razanamasy Ndriana, faharoa Razafinjoelina Tahina (TT), fahatelo Randriamampionona Joseph Martin, fahaefatra Ravalomanana Tojo, fahadimy Roindefo Monja, fahaenina Gascar Fenosoa ary fahafito farany i Ramanantsoa Harilala. Ny nivoahan’ny laharana no ela dia efa samy nihetsiketsika nampahafantatra sy nanaparitaka io laharana io ireo kandida, tamin’ny alalan’ny tambazotran-tserasera . Ofisialy tsara amin’izay izany izao hoe iza sy iza avy no kandida. Tsy mbola hoe fampielezan-kevitra fa tafiditra ao anatin’ilay vanim-potoana fampahafantarana ny mombamomba ilay kandida sy ireo mpiara-dia aminy, na ny fotokevitra ijoroany sy ny vina ananany. Raha ny omaly tontolo aloha no nojerena rehefa narahana akaiky ny tao anaty tambazotra sosialy facebook sy ny resaka teny rehetra teny dia misongadina avy hatrany ny kandida mirahalahy dia Tahina Razafinjoelina sy Tojo Ravalomanana. Ity farany dia malaza sy fantatra noho ny anaran-drainy, itsy voalohany koa, i Tahina dia efa hatrany amin’ny fifidianana filoham-pirenena sy ny hetsiky ny kolektifa herintaona lasa izay no nisongadina noho ny fomba fanehoan-kevitra hafa mihitsy, tsy tahaka ny mahazatra, ny fananany foto-kevitra manome lanja kokoa ny maha olona sy ny maha malagasy ary ny fampisehoany fa olon’ny fifanakalozan-kevitra sy ny fihavanana izy. Mihoatra amin’ireo kandida 6 hafa dia resahan’ny maro fa tsara toerana i Tahina, mpampianatra, mpanabe, mpandraharaha malagasy hita hoe nahavita nanangan-javatra eto Madagasikara, ho an’ny Malagasy fa afaka mifaninana tsar a amin’ny any ivelany ihany koa anefa. Tsotra ny azy ny foto-kevitra ijoroana, milaza ny misy sy y marina ary manana vahaolana mahomby. Izay asa hita fa ho vita no ambara sy atao fa aoka tsy hifamitaka amin’ny fampanofinofisana, isika hoy i Tahina Razafinjoelina.
MILA RIVO-BAOVAO ANTANANARIVO
Na tiana na tsy tiana aloha, ny zavatra iaraha-mahita sy miaina eto Antananarivo dia betsaka ny fahapotehana, betsaka ny asa mila atao, maro ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka sy ny fiarahamonina an-tanan-dehibe mila hapetraka. Anjaran’ny vahoaka no mihaino sy manao jery lavitra amin’izay mety ho afaka hitondra fivoarana ? Iza no manana vina sy hevitra azo tanterahana na « réaliste » hahafahana manasoa ny vahoakan’Antananarivo fa tsy fampanofinofisana ? Tsy vitan-kabary ihany koa ny fitantanana an’Antananarivo ka hoentina amin’ny kitaitaitra sy ny sehoseho ivelany hoe : misy mpanohana mpanohana ara-bola dia handeha hanao ben’ny tanàna ? Tsy vitan’ny hambo ka hoentina amin’ny fifamaliana faty eo anatrehan’ny sary misy hoe : hisy ny hanao izay hitazonana ny fahefana araka izay tratry ny heriny, ao ny mety hanao izay hahazoana fahefana hahafaha-manozongozona ny mpifanandrina politika am-polo taonany vitsivitsy, dia mbola ho variana amin’ny fifamelezena eo ka tena mahasoa an’Antananarivo ve ? Tena mila rivo-baovao ary tsy misy resaka fanindrahindrana olona na kandida fa nahoana tokoa raha ny hevitra sy vina no andeha hohenoina sy hisafidianana izay mendrika ?
RTT/Toky R
 

Dans la même rubrique

10-oct-2024

Hitafa amin'ny vahoaka malagasy tsy ho ela ny filoha Rajoelina hitondra vahaolana amin'ireo

Card image cap
10-oct-2024

Ny fanaovana politika dia tena mila kajy, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary.

Card image cap
10-oct-2024

Azo lazaina ho fisehoana politika voalohany ho an’i Tojo Ravalomanana, kandida atolotry ny TIM eto Antananarivo,

Card image cap
10-oct-2024

Ny laharana N°2 no voasarika ho an’ny kandida Tahina Razafinjoelina amin’ny fifidianana ben’ny tanàna eto

Card image cap
09-oct-2024

Mety hoe leo politika ny Malagasy matoa ambany foana ny taham-pandraisan’anjaran’ny mpifidy

Card image cap
09-oct-2024

Mba misy ihany eto Madagasikara ny olona manam-pahaizana, manam-pahalalana,

Card image cap