airtel

Politique

09-sept-2024

Antananarivo efa potika

Mbola hatao sorona indray…

Sample post image

Antananarivo no fitaratra voalohan’i Madagasikara amin’ny maha renivohitry ny Firenena azy.

09-sept-2024

Tsy arakaraka izay anefa ny zava-misy fa potika amin’ny endriny rehetra ny Renivohitra. Anisan’ireo tanàn-dehibe ratsy tantana indrindra eto ambonin’ny tany, ka tsy atao mahagaga raha voasokajy ho voalohany maloto sy voretra indrindra eto Afrika, ary fahatelo maneran-tany. Antananarivo no sarotra alamina sy sarotra ampandrosoana sa ny mpitantana mihitsy no tsy mahavoa ? Fampandrosoana no tena laharam-pahamehana ho an’izay mahazo fahefana eto sa kajy ara-politika hafa mihitsy ?
STRATEJIKA BE ARA-POLITIKA
Na tiana na tsy tiana dia stratejika be amin’ny politika Antananarivo, indrindra tao anatin’ny 25 taona farany, niakaran’ireo ben’ny tanàna miisa roa teo amin’ny fitantanana ny Firenena dia i Marc Ravalomanana izay ben’ny tanànan’Antananarivo no lany ho Filoham-pirenena ny taona 2001, roa taona taorian’ny . I Andry Rajoelina ben’ny tanàna teto no niakatra ho Filohan’ny tetezamita rehefa nanongam-panjakana ny taona 2021,… Manahirana ny Fanjakana Foibe hatrany raha vao ny fanoherana no tonga eo, ka efa nisy hatramin’ny kajy politika nikasana hizarana azy hisy ben’ny tanàna 6. Dia io fa manahirana ny Fitondrana indray ny firotsahan’i Marc Ravalomanana eto Antananarivo. Mandeha hatramin’ny resaka fa mety hakorontana mba hahafahana mametraka PDS raha resy ny kandidam-panjakana ka ho sorona indray ? Saika natao fahirana mivantana na ankolaka hatrany Renivohitra rehefa olona tsy nitovy loko tamin’ny fitondrana raha ny sary nitranga fony i Andry Rajoelina ben’ny tanàna, niseho ihany koa izany rehefa tonga ben’ny tanàna Rtoa Lalao Ravalomanana,… Novoizina taty aoriana fa raha tiana handroso Antananarivo, dia aleo mifidy olona mitovy loko politika amin’ny Fitondrana foibe. Dia iny fa niova ny sary tamin’ny fampandaniana an’Atoa Naina Andriantsitohaina, kinanjo ny teo ihany no teo. Nodradradradraina ny hanohanana 11 miliara Ar isan-taona ny kaominina Antananarivo izany hoe : 1 miliara isam-bolana. Mbola nisy ihany koa ny findramam-bola 11 miliara Ar tamin’ny CNaPS, narahin’ny fifanarahana hafahafa momba ny fanangonana sy fitantanana ny volan’ny Kaominina Antananarivo izay nanafoanana ny Easy Park tamin’ny fitondran-dRtoa Lalao Ravalomanana saingy nampidirana indray ny SMGD (Société Municipale de Gestion Digitale) izay voalaza fa ny 60% amin’ny vola miditra ihany no tena makany amin’ny kaominina fa ny 40% makany amin’io orinasa io. Narirarira teo ny vahoaka hoe : orinasa tsy miankina, orinasan’ny kaominina,… Na teo aza ireny rehetra ireny, nihapotika sy niharava hatrany Antananarivo, ary io iaraha-mahita io ny fako misavovona etsy sy eroa, ny làlana tapitra potika, ny tsena sy fitaterana mikorontana ambony ambany,…
MANAMPY TROTRAKA NY FIHETSIKY NY VAHOAKA
Na napetraka aza ilay fitsipika momba ny fikoloana ara-pahasalamana na CHM, mitohy ny fandikan-dalàna samihafa : fanorenana tsy ara-dalàna sy ny kolikoly, fanariana fako eny rehetra eny manentsika ny lakandrano,… hany ka isaky ny vanim-potoanan’ny fahavaratra dia miha sarotra sy miha zava-doza hatrany ny fiatrehan’ny vahoakan’Antananarivo ny fotoam-pahavaratra. Na mpanohitra na mpitondra no eo tokony samy hanaporofo fa mahavita azy sy afaka manavotra an’Antananarivo, saingy toa tsy izay aloha ny zava-misy fa mitambatra mandetika ny Renivohitra ny politika mamohehitra, ny toe-tsaina potika, fiarahamonina samy manao izay danin’ny kibony,…
Toky R

 

 

 

 

Dans la même rubrique

16-sept-2024

Tsy hita izay ambara fa sady tezitra no nalahelo ireo kandida mpanolotsain'ny tanàna sendran'ny don-tandroka

Card image cap
16-sept-2024

Nafana ny fihaonana teo amin’ny vahoakan’Ambohimanarina sy ny depiote Todisoa Andriamampandry

Card image cap
16-sept-2024

Tsy misy izay tsy mikaikaika amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy ilaina amin’ny fifidianana

Card image cap
16-sept-2024

Mafana ny toe-draharaha ara-pifidianana amin’izao telo andro tsy hifanaranan’ny fe-potoana hitsaharan’ny fametrahana antontan-taratasy izao.

Card image cap
16-sept-2024

Mihamafy ny fifandirana eo amin’ny fitondrana Rajoelina sy ny vondron’ny mpanohitra tarihin’i Marc Ravalomanana.

Card image cap
16-sept-2024

Nilatsaka ny didy ho an’ny ben’ny tanànan’Antsiranana I Atoa Dzavojozara Jean Luc.

Card image cap