airtel

Politique

21-oct-2024

Antananarivo

Manomboka mihiratra ny mason’ny faritra iva

Sample post image

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

21-oct-2024

raha nidina ifotony nitafa tamin’ny vahoakan’Andranomanalina nijery akaiky ny fivoaran’ny asa fanadiovana sy fisokirana ireo lakandrano izay noraisiny an-tànana amin’ny alalan’ny fampiasana ireo mponina eny an-toerana ihany. Ao anatin’ny fotoam-pahavaratra rahateo isika, ary iaraha-mahita ny fahoriam-bahoaka noho ny fahantsentsena samihafa, indrindra eny amin’ny Faritra iva. Zaza 4 ny anay mandoa sy mivalana, tsy maintsy manitsaka ranom-potaka vao maraina, hoy ny renim-pianankaviana iray. Ny mahatonga ilay olana ohatr’izao dia fomba fijery politika satria tsy maintsy mahalala ny laharam-pahamehana no antsoina hoe : mpanao politika. Inona no maika eto Antananarivo ? Ny zavatra toy izao dia miteraka aretina ho an’ny mponina, ka ny rendrarendra sy haingo haingo ve ka miala tsiny aho fa zavatra tsy misy ilaivana azy no ataon’ny sasany, hoy i Tahina Razafinjoelina, raha nidina ifotony teny Andranomanalina ny faran’ny herinandro teo. Ny olana mahatonga an’izao dia tsy miara-miasa amin’ny mponina ny kaominina. Ireo olona niasa, maherin’ny 100 dia olona mitady asa, ka ny zavatra tahaka izao tsy tokony homena orinasa hafa dia maka tombony be dia be, fa azo atao ny miara-miasa amin’ny vahoakan’Antananarivo izay sady tompony no miasa, hoy ity kandida ity. Miantso ireo kandida rehetra i Tahina Razafinjoelina mba hakarina kely ny lenta fa tsy famitahana vahoaka, zavatra maharitra no hapetraka, ary tena mila ifarombonana, ka na lany na tsy lany dia mba mametraka soa. Manomboka mihiratra kosa etsy andaniny ny mason’ny mponina eny amin’ny Faritra iva, izay naneho fa efa betsaka izay fampanantenana sy fividianana vahoaka amin’ny zavatra tsy maharitra izay, ka ampy izay, fa mila zavatra maharitra sy tena mahasoa ny vahoaka. « Efa taty ny Filoham-pirenena, efa taty ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ary nampandany azy izahay, taty no nahazoany vato be indrindra, kanefa tsy fantany intsony izahay noho ny lany izy, ny olona tsy an’asa,... Tena mila olom-baovao tahaka izao izahay. Izahay tsy mila famitahana intsony, izay tena miasa sy mahavita ary mahalala ny laharam-pahamehana no jerenay. Izahay tsy mila vary sy laoka ho an’ny anio, fa mila zavatra maharitra », hoy ny ampahan’ny fanehoan-kevitry ny mponina. Firifiry taona tokoa moa izay no nanaovana tohatra fiakarana sy nanambazana tamin’ny zavatra tsy maharitra ny vahoaka teny amin’ny faritra iva fa moa tena nahasoa sy nampivoatra azy ireo ve ny koveta sy kitolotolotra tsy maharitra ? Moa tsy rariny sy hintsiny ve raha tonga saina izay ireo fa tena fitaka no nisy hatrizay ? Manomboka tonga saina sy mihiratra ny mason’ny ambany tanàna noho ny famitahana sy fitaka politika samihafa nentina nakany ny vatony hatramin’izay !
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Mitohy ny famaliana ny hetahetam-bahoaka ho an’ny Antoko TIM tarihin’ny kandida ben’ny tanàna Mendrika Rasolonirina N°3 ao Alakamisy-Vontovorona

Card image cap