airtel

Politique

20-août-2024

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

Ho lasibatry ny adilahy politika avo lenta indray ?

Sample post image

Anisan’ny lohahevitra miteraka resabe ankehitriny ny fifidianana ben’ny tanana ho an’Antananarivo renivohitra.

20-août-2024

Nipoitra ny kandida Rinah Rakotomanga, nilaza fa hanao i Marc Ravalomanana. Teo anelanelan’ ny fanambarana nataon’izy ireo no teraka tampoka ny Mouvement Gasikara, ambara fa feo politika faha telo tarihin’ny depiote vao voafidy Gascar Fenosoa. Ity farany izay mpanao fandaharana tamin’ny fahitalavitra teo aloha dia anisan’ireo mpamerimberina hoe « tsy misy kisendrasendra izany amin’ny politika ». Midika izany fa manana tanjona politika mazava izy matoa niditra amin’ilay Mouvement Gasikara . Ao anatin’izay raharaha izay ihany dia nipoitra ny karazana fanehoan-kevitra hoe mety tsy hanolotra kandida mivantana ny IRMAR, antokon’ny fitondrana fa hanohana kandida, mody ambara hoe tsy miankina na mpampihavana na hery politika hafatelo….Iny moa anarana ihany . Ara-teknika sy ara-politika mantsy dia efa Mazava ny sary fa ho resy ny kandida « orange » raha vao hoe Antananarivo renivohitra izany. Ny depiote TIM no nahazo isam-bato ambony indrindra ho an’ny renivohitra, resiny ny kandidan’ny IRMAR. Manampy izay niarahan’ny rehetra nahita ny kitoatoam-pitantanan’i Naina Andriantsitohiana (2019-2023). Misy depiote tsy miankina iray nisongadina tao amin’ny boriborintany fahatelo dia io lasa mihazakazaka io ny toe-draharaha satria tsy ho avy ny fifidianana. Re fa tsy manana kandida amin’ireo olony 100% ny IRMAR hatreto aloha . Tsy azo eritreretina ny hoe hanohana ny kandidan’ny TIM ny fitondrana, fa raha manohana izy dia kandida tsy miankina. Dia mety hiseho indray izany ny sary tahaka ny vao vita fifidianana solombavambahoaka. Nilaza fa manohana fitondrana ireo kandida tsy miankina rehefa nahazo toerana teny Tsimbazaza. Tahaka ny efa niainana hatrizay izany dia mety hiseho eto Antananarivo renivohitra indray ny adilahy politika avo lenta momba io toerana aman’andraikitry ny ben’ny tanana io. Tantara efa nisy ny taona 1999, 2007, 2014, ka ireo no nitarika ny krizy politika 2002, 2009 ary 2018.
RTT
Sary : Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap