vahoaka mivantana ny sy ny loholona izay ny ampahan’ny maro no fidian’ny vahoaka amin’ny alalan’ireo mpifidy vaventy ny : miahy sy mitondra ny teny sy hetahetan’izy ireo any amin’ny fahefana mpanatanteraka, manara-maso ny asan’ny mpanantanteraka, manolotra tolo-dalàna sy lalàna ary mandany izany ho an’ny tombotsoa ambonin’ny vahoaka, mandinika sy mandany ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana,… Izy no mandany ny lalàna sy manara-maso ny asan’ny governemanta ary ny fanaovana tombana ny politikam-panjakana (andininy faha-68 amin’ny lalàmpanorenana). Afaka manao fitsipaham-pitokisana ny governemanta tsy mahomby amin’ny alalan’ny fangatahana ataon’ny antsasa-manila sy lanian’ny 2/3n’ny mpikamban’ny Antenimierampirenena, araka ny andininy faha-103 amin’ny lalàmpanorenena. Tena misy fanombanana an’izany ve eto eo anatrehan’izao olana ara-tsosialy samihafa izay tsy voavahan’ny governemanta izao : Delestazy, fidangan’ny vidim-piainana, krizy ara-toekerana miseho amin’ny endriny maro,... Manana fahefana hiampanga ny Filoham-pirenena amin’ny latsa-bato lanian’ny 2/3n’ny mpikambana ny antenimierampirenena, ary mety hiafara amin’ny fanalàna ny Filoham-pirenena io, saingy ampihimamba politika sy fifidianana maloto hahazoana sarintsarina maro an’isa ao amin’ny Antenimiera no mpiseho eto, ka zary fifampizana tombotsoa, fifampiarovana amin’ny tsy fahombiazana no betsaka.
TSY TENA MIJERY NY TOMBOTSOAM-BAHOAKA
Ny antenimierandoholona no misolo tena ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana sy ireo vondron-draharaha ara-toekarena, araka ny andininy faha-81 amin’ny lalàmpanorenana. Maka ny hevitry ny Antenimierandoholona ny governemanta momba ny raharaha ara-toekarena sy ara-tsosialy ary fandaminana ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Mifanaraka amin’izany ve ny nandaniana fa ho lasa ny Fanjakana foibe no miantsoroka ny famoriana ny hetran-trano sy hetran-tany izay nosahanin’ny kaominina, izay lasa fihemorana goavana amin’ny fitsinjaram-pahefana sy fitsinjarana ara-bola, mamono ireo kaominina 1695 manerana ny nosy,... Isan’ny aim-pirenena ny resaka lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, fa lany tsy misy fanovana io matetika ka betsaka ny olom-pirenena fa sarivongana ny ankamaroan’ny depiote sy loholona. Dia manao ny asany sy tena resy lahatra ve ny andrim-panjakana mpanao lalàna fa tena mifanaraka amin’ny filàn’ny Firenena io lalàna mihefy ny tetibolam-panjakana 2025 io nolaniana tsy nisy fanintsiana io ? Ny fampianarana dia zara raha 1,75% amin’ny harin-karena faobe na PIB hatreto raha ny vola haompana aminy, raha toa ka 4 ka hatramin’ny 6% eo ny fenitra iraisam-pirenena apetraky ny UNESCO. Efa tafakatra 2,5% io atsy Comores raha efa 6% any Sénégal. Ny fahasalamana dia 1,03% amin’ny PIB ho an’i Madagasikara ho an’ny taona 2025,…
MITAZAM-POTSINY NY HADALAN’NY MPANATANTERAKA
Firifiry ireo dosie goavana nilàna fanadihadiana parelemantera fa moa nisy an’izany ? Tahaka an’ireo dosie kolikoly tokony hiakatra amin’ny HCJ ihany saingy tsy mandingana an’i Tsimbazaza. Vao iny notsikafonin’ny Fiarahamonim-pirenena iny izao fa tsy misy mangarahara, tsy voafaritra anaty tetibolam-panjakana ny tetikasa « Lac Iarivo » fa angaha mahataitra ny antenimiera ? Tena mifanaraka amin’ny vola sy tombotsoa tangosana amin’ny volam-bahoaka ve ny vokatra entin’ireo andrim-panjakana mpanao lalàna sy mpanara-maso ny governemanta ?
Toky R
Tsy eto Antananarivo Renivohitra ihany no misy fifanolanana sy olana ara-pifidianana,
Herinandro katroka anio no namoahan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana
Miotakotaka ankehitriny izao tontolo izao, hoy ny mpanao politika, mpikambana eo anivon’ny
Niradraraka ny fankasitrahana ho an’ireo tompon’andraikitra ambony sasantsasany eo anivon’ny
Tsy diso ny ahiahinay fa fandrobahana fahefana ankehitriny no natao fa tsy fifidianana, manamafy
Tahian'i Zanahary ianareo ben'ny tanàna rehetra vao voafidy tamin'ny fifidianana kaominaly sy mpanolontsain'ny