airtel

Politique

16-oct-2024

Antenimiera roa tonta

Hangotraka indray ny fitakiam-bola sy tombotsoa…

Sample post image

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

16-oct-2024

Fandraisana anjara voalohan’ny depiote amin'ny endriny ankehitriny amin’ny fandinihana na fandaniana ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana. Isan’ny hodinihina ihany koa ny lalàna momba ny toetr’andro. Ankoatra ny teti-bola, eo ihany koa ny olana sosialy mifandray amin'ny krizin-drano, herinaratra,… izay heverina fa hanamafy ny adihevitra ao Tsimbazaza. Toy izany koa, ny fanatanterahana ny fifidianana ho an'ny kaominina sy ny tanàna. Tsy tokony hisy olana na izany aza ny fandaniana ny lalàna momba ny teti-bola ao amin'ny Antenimiera ambany raha jerena ny firafitry ny Antenimiera amin'izao fotoana izao ao Tsimbazaza, izay manana ny maro an’isa ny vondrona manohana ny filoham-pirenena. Na izany aza, hafana indray ny resaka fitakiana tombotsoa mikasika ny fomba fanampiana ny solombavambahoaka vaovao amin'ny fivezivezena na ilay resaka fahazoana fiara tsy mataho-dalana na « 4x4 ». Araka ny nolazain'ny minisitry ny Toekarena sy ny vola Rindra Rabarinirinarison, dia ho anisan'ny fanapahan-kevitra ny manome fiara ho an'ny solombavambahoaka na ny manome azy ireo fanampiana isam-bolana. Efa 3 volana no voalaza fa nakana 6 tapitrisa isam-bolana ny vola raisin’ireo solombavambahoaka ao anatin’ilay antsoina hoe : « indemnité compensatrice de transport » », tetibola ho saran’ny fivezevezena, tsy nalaina intsony satria voalaza fa handoavana tsikelikely ny fahazoan’izy ireo fiara tsy mataho-dàlana. Voalaza fa hisy ny fiantsoana ny Praiminisitra sy ny Minisitry ny vola. Manana ny maro an’isa ao amin’ny Antenimiera roa tonta ny Fanjakana am-perin’asa ka ho voalamina hilefitra ny rehetra ka ny famahana ny tombotsoam-bahoaka no himasoana sa hibahan-toerana ny fitakiana tombotsoa maro ? Arakaraka ny tombotsoa mihoampampana sitrahana ve ny tamberiny ho an’ny vahoaka ?
HENJANA NY TSINDRY ARA-BOLA
Ankoatra io resaka fiara tsy mataho-dalana io, heverina fa hafampana ny adihevitra eo Tsimbazaza izay tokony hisy ihany koa ny fihaonana hisian’ny fametraham-panontaniana sy famaliana izany eo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta. Asa ihany koa izay mety ho fisehony eo anatrehan’ny resaka fampihenana ilay tetibola CIAD tantanan’ny depiote izay 250 tapitrisa Ar no mety hihena hatrany amin’ny 60 tapitrisa Ar. Andaniny ihany koa ny loholona nitaky ny hahazo tetibola CIAD toy ny depiote nandritra ny fihaonan’izy ireo tamin’ny governemanta ny febroary 2024. Ny Fanjakana Rajoelina anefa tafiditra lalina ao anatin’ny krizy ara-bola, izay heverina fa isan’ny antony tsy mampivaha ireo olana ara-tsosialy maro, kanefa heverina mbola hangotraka ihany koa ny adivarotra ao Tsimbazaza ! Efa nahena hatrany amin’ny 3400Ar ny tetibolam-panjakana 2024. Ny fampanantenana mitosaka, ny vola hiasana mihena,… ka mbola misy zavatra betsaka antenaina amin’ny fitondrana ve ? Betsaka ireo resaka natao, maro ireo fanafainganana asa notenenina, kinanjo ilay fananganana sekretariam-panjakana miisa 11 aza zara raha nahatafatsangana roa fa tsy arakaraka ny resaka natao. Dia lasa kiboribory vetaveta lava eo ny fitantanana firenena fa tsy hita izay tena zava-banona sy zavatra mandeha !
Toky R
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Nanazava sy niaro tena ny eo anivon’ny CENI

Card image cap