airtel

Politique

28-juin-2024

Antenimieram-pirenena

Ho hita eo indray izay hisantatra famitaham-bahoaka!

Sample post image

Ho hita eo izay tena tsy voavidy vola, hoy ny filohan’ny antoko politika FMI malagasy, Jean Jacques Ratsietison,

28-juin-2024

nialohan’ny fiatombohan’ny fampielezankevitr’ireo kandida ho solombavambahoaka tamin’ireny fotoana ireny. Efa mamitaka ireo izay nifidy anareo sahady ianareo kandida lany tamin’ny anaran’ny tsy miankina, hoy ny fiarahamonim-pirenena, KMF-KNOE, raha miandany amin’ireo vondrona politika matanjaka toy ny IRMAR sy Firaisankina. Ho hita eo tokoa indray, araka izany, izay hisantatra izay famitaham-bahoaka eny amin’ny antenimieram-pirenena eny, indrindra, ireo izay lany tamin’ny anaran’ny mahaleotena na tsy miankina izay. Heverina fa azo ambara ho isan’izany ihany koa ireo lany tamin’ny anarana fikambanana hafa ankoantran’ireo nosokajiana ho matanjaka. Raha tsiahivina fohy moa dia nahazo depiote miisa 84 izany ny vondrona IRMAR, izay miaraka amin’ny fitondrana, raha ny vokatra ofisialy navoakan’ny HCC omaly. 51 ireo lany tamin’ny anaran’ny tsy miankina. 21 ireo lany tamin’ny anaran’ny vondrona Firaisankina. 4 no avy amin’ny fikambanana FIVOI. 1 ny an’ny Kolekitifa an’ny malagasy. 1 avy amin’ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara. Hiverina ve ny tantaran’ny malety tamin’ny fotoan’androny? Hiverina matetika ve ny ahiahy mikasikana tolo-dalàna nolaniana mialoha? Ho tena fifidianana vokatry ny fandinihina lalina ireo tolo-dalàna isanisany amin’izay ve manomboka eto no hitranga ao amin’izany lapan’ny Tsimbazaza izany sa fifaninanana mananga-tanana? Solombavambahoaka tena hijery ny tombontsoam-bahoaka marina sa sanatrian’izany tonga amin’ilay ahiahin’ny mpanara-baovao hatramin’izay hoe efa nahazo toromarika avy any ambony tany? Ho hita eo indray, araka izany, izay hivoaka. Ho hita eo indray izay hisantatra famitaham-bahoaka!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap