airtel

Politique

01-juil-2024

Antenimierampirenena

Hilamina ve ilay toerana Filoha lefitra fahafito ?

Sample post image

Ny talata faharoa aorian’ny fanambarana ofisialy ny voka-pifidianana no mivory voalohany

01-juil-2024

manangana ny Birao maharitra sy ny vaomiera ny solombavambahoaka araka ny andininy faha-78 amin’ny lalàmpanorenana, ka andrasana ihany koa ny ho fisehony amin’ilay endriny vaovao izay niakatra ho 163 ny isany. Amin’ny 9 jolay izao io ka dia miandry ny rehetra hoe : iza no ho Filohan’ny Antenimierampirenena vaovao ? Hanao ahoana ny ho firafitry ny birao ? Voafaritra ao anatin’io ihany koa ny toeran’ny filoha lefitra faha-7 avy amin’ny fanoherana, izay tsy nety tafapetraka tao anatin’ilay taom-piasana farany teo noho ny adihevitra samihafa toy ny famaritana fa tsy maintsy depiote ? Ny andininy faha-14 amin’ny lalàmpanorenana no mamaritra ny fifidianana izay ho lehiben’ny mpanohitra aorian’ny fahavitan’ny fifidianana, ka raha tsy misy ny marimaritra iraisana dia ny vondrona politika mpanohitra mahazo depiote betsaka indrindra no manendry izany. Adiheveritra tsy nety vita anefa ny fametrahana izany tao anatin’ny taom-piasan’ny depiote farany teo, ka ny Antoko TIM tamin’izany, dia nivoy fa efa misy ny lalàna 2011-013 izay mifehy ny satan'ny mpanohitra sy ny antoko mpanohitra. Efa "promulguée" io izany hoe manan-kery, ka hany sisa tsy nahafahana nanatanteraka azy ny tsy fisian'ny didy fampiharana na "décret d'application". Toa nisy fifangaroana ihany koa ny fanoherana eo anivon’ny parlemanta sy ny fanoherana ankampobeny satria tao ny hoe : ny kandida Filoha nahazo vato be indrindra, raha toa ka nisy kosa ny fidrikinana tetsy Tsimbazaza fa tokony ho depiote sy olom-boafidy ny lojika ao amin’io andrim-panjakana io, ka niteraka fikitihana sy fanovana ilay lalàna. Iza izany no mety hahazo an’io ao anatin’ny fanoherana ? Hipetraka ve hoe : Atoa Siteny Randrianasoloniaiko izay filoha mpiara-mitantana ao anatin’ny Vovonana Firaisankina izay kandida filoham-pirenena farany teo ? Sa mbola hifidy hafa amin’ireo kandida lany tamin’ny Firaisankina izay ny TIM no manana maro an’isa mitaha amin’ny Pro-Siteny raha hoentina any amin’ny lafiny antoko?
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap