airtel

Politique

28-juin-2024

Antenimierampirenena

Miantso ireo tsy miankina hanambatra hery i Gascar Fenosoa

Sample post image

Anisan’ireo endrika vaovao ho tazana eo anivon’ny Antenimierampirenena manomboka izao ny depiote Gascar Fenosoa,

28-juin-2024

voafidy tao amin’ny Boriborintany Fahatelo eto Antananarivo. Naneho fisaorana ny vahoaka, ary nidera ny fahasahian’izy ireo nanova sary politika nipetraka teto an-drenivohitra nandritra ny 20 taona mahery satria nisafidy kandida tsy miankina. Tsy nisy kandida tsy miankina tafiditra na nahazo toerana teto Antananarivo tao anatin’izay 20 taona izay raha ny nambarany, ka nilazany fa fahasahiana lehibe ny nataon’ny vahoakan’ny Boriborintany fahatelo. Nilaza hidina hifotony hitety ny tokantrano haneho fisaorana moa ity farany. Nanome toky noho izany ny tenany, fa tamin’ny anaran’ny tsy miankina no nisafidianan’ny vahoaka azy, ka depiote avy amin’ny tsy miankina no ho tazana eny Tsimbazaza fa tsy Gascar miloko loko politika. Ara-politika, niantso ireo depiote tsy mianikina hivondrona sy hanambatra hery i Gascar Fenosoa. « Matoa depiote isika lany tamin’ny tsy miankina, dia ny maha tsy miankina no nisafidianan’ny vahoaka. Miantso antsika, andao hanangana vondrona parlemantera matanjaka. Ny tsy miankina hatramin’izay no isan’ny nanimba ny endriky ny antenimierampirenena, ka andao hovaintsika ny tantara manomboka eto. », hoy ity depiote izay mpanao gazety teo aloha ity. Manodidina ny 50 eo moa ireo kandida lany tamin’ny tsy miankina, ka andrasana ny sary hiseho hoe : hivondrona ho vondrona parlemantera iray sa hisy hiova loka sahady. Misy mantsy ireo re siosio fa efa misarizoro amin’ny volomboasary.
Toky R


 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap