airtel

Politique

06-sept-2023

Anto-bola 200 tapitrisa Ar

Tsy nahasakana ireo kandida

Sample post image

Raha ny angom-baovao voaray hatramin’ny omaly dia tsy handray latsaky ny 4 miliara Ariary na 20 miliara

06-sept-2023

iraimbilanja izany ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC amin’ity fametrahana antotan-taratasim-pilatsahan-kofidian’ireo kandida ho filoham-pirenena izay hifarana anio etsy Ambohidahy ity. Raha noheverina ho narisarisa ireo mpandray anjara tamin’ny nisokafan’izany fanaterana taratasy izany nanomboka ny 22 aogositra dia ny 24 aogositra tamin’ny 12 ora sy 4 minitra vao nisantatra izany ny filoham-pirenena teo aloha na dia nitaraina ho nanana olana tamin’ny resaka taratasin-ketra na ilay hoe 211Bis aza talohan’io. Hatramin’ny omaly dia kandida miisa 17 aloha izany no naha voaatitra ny atotan-taratasiny feno avy. Izany hoe efa niaraka tamin’ilay volabe 200 tapitrisa Ariary na 1 miliara iraimbilanja. Fantatra kosa fa, fara faha keliny, miisa 3 ireo kandida mbola hanatitra izany amin’ity andro farany anio ity, raha tsy misy ny fiovana. Eo ny kandidan’ny antoko politika Fihavanantsika, Lalaina Ratsirahonana. Eo koa ny avy amin’ny antoko politika Kristianina manao politika, Eliace Ralaiarimanana, ary ny kandida avy amin’ny antoko politika Tanora malagasy vonona na TGV izay tena mahaliana ny mpanara-baovao hoe ny filoham-pirenena ankehitriny izay efa manana olana miteraka resabe noho ny resaka fandavana zom-pirenena malagasy na “naturalisation” ity ihany ve sa olon-kafa? Feno 4 miliara Ariary na 20 miliara fmg aloha izany na izany na tsy izany fara-faha keliny ny volabe ho tonga ao amin’ny HCC nanomboka ny 24 aogositra teo hatramin’ity anio ity, raha ny mikasika ny anto-bolan’ireo kandida ho filoham-pirenena fotsiny. Volabe mankaiza sy ho atao inona avokoa? Miandry ny mangarahara ny rehetra!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap