Nanatombo kely, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Durlin Retogniane, ny isan’ireo minisitera ao anatin’izany governemanta izany. Mampametra-panontaniana ny maro amin’izao fotoana izao hoe raha ohatra ka tafatsangana aza ny governemanta dia inona no andrasantsika amin’izy ireo, hoy izy? Tsy afaka ny hanantena na inona na inona amin’ireo governemanta ireo ny vahoaka malagasy manoloana ny olana ara-toekarena sy sosialy izay mahazo ny vahoaka malagasy maro an’isa amin’izao fotoana izao raha ohatra ka tsy manana ny ho enti-manana ny fitondram-panjakana. Hitantsika fa nisy «coupe budgétaire» na fifehezam-bola natao isaky ny departemantan’ireo minisitera amintsika miteny izao. Hita taratra tany amin’ny lalàna mifehy ny teti-bola nofidian’ireo solombavambahoaka izany. Mbola nanamafy izany ny praiminisitra lehiben’ny governemanta fa tena tsy misy vola ny fitondram-panjakana ka nahatonga ilay CIAD ho lasa 60 tapitrisa Ariary amin’izao fotoana izao raha toa ka 200 tapitrisa Ariary teo aloha. Nampikaikaika ireo solombavambahoaka izany. Inona izany no andrasantsika amin’ireto governemanta ireto raha tsy manam-bola ny fitondram-panjakana amintsika miteny izao? Ny fitondram-panjakana mihitsy izany izao na hoe ny kitapom-bolam-panjakana no tsy misy vola. Hitantsika fa ny mahatonga ny filoham-pirenena mivezivezy amin’izao fotoana dia ahitana izay lalam-bola ahafahana manodina ny fitantanan-draharaham-panjakana izay. Ahoana izany no hahatongavana amin’ilay hoe Madagasikara tsy maintsy mandroso raha tsy misy vola entin’ireo mpikamban’ny governemanta ireo manatanteraka vina ao anatin’ilay PGE izay mizara 3 lehibe miompana amin’ny resaka «capitale humain» na ny maha olona sy ny fampiroboroboana ny indostria ary ny fanjakàna tsara tantana? Na izay sehatra na «axe» miisa 3 izay fotsiny aza, indrindra, ilay voalohany, dia mitady enti-manana na «moyen» be dia be. Izay angamba no nahatonga ilay fitondram-panjakana nametraka ilay sekreteram-panjakana miadidy ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Tanjona tsinona ny hoe ahoana no hanalàna ny vahoaka malagasy ao anatin’izao olana ara-tsosialy izao? Ny hitan’ny fitondram-panjakàna ho mety nefa dia ilay haraton’aina sosialy amin’ny vola avy amin’ireo mpamatsy vola izay vonjy tavan’andro fa tsy vahaolana maharitra. Ny tena mpitondra dia mijery izay hahafahana miahy ny vahoakany anaty fotoana maharitra. Izany dia amin’ny alalan’ny famoronana asa be dia be ho an’ny vahoaka malagasy satria rehefa miasa ny vahoaka dia manana fidiram-bola. Rehefa manana fidiram-bola dia afaka mampitombo ny fahefa-mividiny. Fahefa-mividy mihitsy izao no olan’ny vahoaka malagasy ka mahatonga ny firenena ho latsaka an-katerena, hoy hatrany ny antoko politika Fiombonana.
J. Mirija
Efa ela no nitolomantsika, vao tamin’ny herintaona no nisy naratra, nisy nogadraina tamin’ny hetsika,
Tsy hoe zava-baovao no atao ankehitriny fa fanohizana ny tolona natomboka ny taona 2023,
tafa, niavaka, tsy fahita firy, vina sy faharesen-dahatra, hita hoe mila fanovanatokoa ny olona. Maro be no tonga kanefa tsy nisy nosandaina
Eto Antananarivo no fiantombohan’ny fanovana, ary isika tsy hanaiky hataon’ny olona lafika intsony.
Tsy vaky ny Kolekitifa an’ny Malagasy ary manohana an’i Tahina Razafinjoelina avokoa !
Naneho ny heviny sy fijeriny mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra i Andry Herinjaka