airtel

Politique

13-août-2024

Antoko politika Fiombonana

«Lasibatra foana ity fifidianana ben’ny tanàna ity!»

Sample post image

Efa nambaranay hatrany am-boalohany, hoy ny antoko politika Fiombonana,

13-août-2024

 fa tsy tao anaty fangaraharahana sy tao anaty tsy fahatomombanana no nanatontosantsika ireo fifidianana natao teto amin’ny firenena. Tsy tamin’izao fifidianana izao ihany, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Durlin Retogniane, fa na tamin’ny fitondrana teo aloha aza. Ny fitondrana ankehitriny dia lasa manohy an’izay azo lazaina hoe «Jurisprudence» na fandikan-dalàna ifandovana izay. Ataony amin’ny kajikajiny ilay fifidianana satria ny hahazoana maro an’isa no tanjona. Raha hiresaka ny fifidianana ben’ny tanàna izay novinaniana ho tontosaina ny 9 novambra isika dia lasa nahemotra ny 11 desambra izany. Efa nakàna ny hevitry ny filan-kevi-panjakana izany. Daty izay ao anaty fotoam-pahavaratra tanteraka nefa. Tsy azontsika atao mihitsy ny manao izany fifidianana anaty fotoam-pahavaratra izany satria voasoratra anaty lalàna ny tsy tokony hanaovana izany. Ny fanerena hanaovana fifidianana ny 11 desambra izao, noho izany, dia misy kajikajy politika no fahitanay azy. Raha ho tanteraka aza izany, mbola tsy nivoaka hatreto ny didim-panjakana ahafahana manatanteraka fifidianana amin’io daty io izany. Tena manana ny enti-manana rehetra ve isika ahafahantsika miroso amin’izany fifidianana izany sa ohatran’ny fomba taloha hitantsika tamin’ireny fifidianana solombavambahoaka ireny ihany? Sahirana isika tamin’ny enti-manana tamin’ireny nefa ankehitriny kaominina manodidina 1700 isa mahery no hiatrika izany fifidianana ben’ny tanàna izany ary lesona tokony ho tsoahintsika dia hoe lasibatra foana ity fifidianana ben’ny tanàna ity satria tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna teo aloha izao dia nisy kaominina miisa 20 teo no tsy nahitana ben’ny tanàna mihitsy mandra-pahatapitry ny fotoam-piasan’ireo ben’ny tanàna ireo! Ny antony dia tsy tsara fiomanana isika ao anatin’ilay fifidianana ka amin’ity indray mitoraka ity dia antenaina fa ho tanteraka soa aman-tsara ny fifidianana izay teren’ny lalàna rahateo. Raha ny tena tokony ho izy tsinona dia alohan’ny fifidianana solombavambahoaka no nanatontosantsika ny fifidianana kaominaly. Noho ny kajikajy politika koa izany dia lasa ny fifidianana solombavambahoaka no nalefa aloha. Ny fotoam-piasan’ny ben’ny tanàna tany amin’ny 10 janoary tany no lany, izany hoe, raha ampitahaina dia lany talohan’ny an’ireo solombavambahoaka. Ny an’ny solombavambahoaka taty amin’ny volana jolay ka inona izany no nanakana antsika tsy nanao fifidianana ben’ny tanàna aloha? Aoka ho atao anaty mangarahara ny fifidianana ben’ny tanàna ary atao am-pahamatorana fa tsy atao mandroso mihemotra, hoy hatrany ny antoko politika Fiombonana!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap