airtel

Politique

18-oct-2023

Antoko politika Fiombonana

“Misy tsy milamina ao matoa tonga ny SADC”

Sample post image

Tsy afaka hilaza hatreto ny antoko politika Fiombonana fa tomombana ny fifidianana na dia niteny aza ny CENI

18-oct-2023

hoe ny 30%n’ny kara-pifidianana no efa voazara manerana ny nosy. Tsy ny fizarana kara-pifidianana, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Durlin Retogniane, no maha maika fa ilay kara-pifidianana zaraina ve tsy misy hosoka? Betsaka ny kara-pifidianana nampimenomenona ny olona, hoy izy. Olompirenena iray misy manana kara-pifidianana miisa 3. Misy olona efa maty no manana karatry ny mpifidy. Tsy hitondra filaminana mihitsy izany mialoha izao fifidianana izao ka miangavy ny tomponandraikitra mahefa rehetra mba hijery tsara ny fandehan’ity fifidianana ity. Tsy ny fihazakazahana no tena zava-dehibe fa na mandeha mora sy am-pilaminana aza isika ka anatin’ny fahamarinana dia izay no tena zava-dehibe. Izay no mahatonga ny firaisankinan’ny kandida miisa 11 mitaky ny fahamarinana ao anatin’ny zavatra rehetra mialohan’izao fifidianana izao. Marina daholo ny fitakian’ireo kandida 11 ireo! Tsy misy tanteraka izao ny fanjakana tan-dalàna. Manao izay danin’ny kibony ny antoko eo amin’ny fitondrana. Eo ihany koa fisaraham-pahefana izay tsy voahaja mihitsy. Tsy hita tanteraka ny fahaleovantenan’ny fitsarana. Misy tsindry tao matoa nivoaka ireny sertifika maha olompirenena ireny. Mitanila ny fitantanan-draharaham-panjakana satria hita amin’izao fotoana izao fa misy tomponandraiki-panjakana midina an-tsehatra mihitsy manana fampihelezankevitra ny kandida laharana faha 3. Tsy azo ekena izany satria tsy hampilamina ny zotram-pifidianana. Matoa mbola tonga amin’ity herinandro ity ny iraky ny SADC dia misy tsy fahatomombanana ao. Hitantsika ny fanambaran’ireo masoivoho sasantsasany miasa eto amintsika. Tokony tonga saina ny governemanta, ny CENI, ny HCC, ireo minisitera voakasika fa misy tsy milamina ao ka tokony hijerena vahaolana, hoy hatrany ny Fiombonana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap