airtel

Politique

20-juin-2024

Antoko politika Les Phares

«Mitony ho azy ny politika rehefa afaka mamokatra ny vahoaka»

Sample post image

Fantatrareo fa ny vondrona politika ‘Lay FAR, izay ahitana ny antoko politika Les Phares,

20-juin-2024

dia mandray anjara foana amin’ny raharaham-pirenena, hoy ny filohan’izy ireo, Rafanomezantsoa Georges. Na tsy nandray anjara mivantana aza izahay, hoy izy, dia nanana kandida notohanana. Iombonanay ny tenin’ny filoham-pirenena hoe tokony ho hajaina ny safidim-bahoaka. Tokony tsy ho ahodinkodina ny vokam-pifidianana. Inoana fa olon-kendry ny tomponandraikitra eo anivon’ny HCC sy ny CENI, izay namoaka ny vokatra vonjimaika farany teo. Tsy tokony hiova firy amin’ny vokatra navoakan’ny CENI ny an’ny HCC satria raha sanatria, averiko im-pito ny hoe sanatria, misy fiovana be kosa izany dia mety hiteraka savorovoro eo amin’ny mpifidy sy ho an’ny vahoaka izany. Inoana fa tsy hisy hanana tombontsoa amin’izany na ny tomponandraikitra na ny vahoaka ka mangataka ny ‘Lay FAR hoe aoka ho hajaina ny safidim-bahoaka! Mbola lavitra ezaka be ny resaka hoe fanovana rafitra. Inoana fa tsy izany izao no laharam-pahamehana eto Madagasikara. Mbola ny lafiny ara-toekarena sy sosialy izao no tokony jerena akaiky. Resaka rafitra izany, resaka fitantanan-draharaham-panjakana manontolo mihitsy. Ny manova izany mbola mila fotoana lava fa tsy vita ao anatin’ny fotoana fohy. Ny tanjaka ara-toekarena izao no hitako hoe tokony himasoana. Tsy misy afa-tsy ny fitoniana na «stabilité» ihany no ahatongavana amin’izany. Rehefa misy ny fitoniana ara-tsosialy dia teraka fitoniana ara-toekarena. Rehefa mandry fahalemana ny firenena dia afaka mamokatra ny vahoaka dia mitony ho azy koa ny politika rehefa afaka mamokatra ny vahoaka. Tokony hamorain’ny fanjakana noho izany ny fahafaha-mamokatra eto amin’ny firenena. Madagasikara izao, ohatra, firenena natao hamboly dia tokony asandratra izany ny sehatry ny fambolena na «secteur primaire», ny asa tanana. Tonga eto Madagasikara izao ny namantsika avy ao amin’ny nosy rahavavy Maorisy sy ireo sehatra iraisampirenena samihafa hanao ny foara iraisampirenena momba ny asa tanana dia tokony ampian’ny fanjakana izany ny fampiroboroboana sy fanomezana sehatra bebe kokoa ireny. Hanampiana azy amin’ny lafiny ara-pitaovana sy ara-bola indrindra indrindra, hoy hatrany ny antoko politika Les Phares.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap